Politique

Nahemotra ny fifidianana Tahotry ny FAT ho afa-baraka fanindroany


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010

Raha nandritra ny fanokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa no efa nanandram-peo sahady ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita amin’ny tokony hanemorana ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna, dia nanamafy izany fitakiana izany ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina ny sabotsy 20 novambra lasa teo.

Izany, hoy ireo mpikambana, dia natao indrindra hoentina hirosoana hatrany amin’ny fanatsarana ny fifidianana, ary koa mba hirosoana amin’ny fampitoniana sy ho fampiharana ny andininy faha-30 ao amin’ny lalàm-pifidianana izay manambara fa “tsy azo atao ny manatanteraka fifidianana eo anelanelan’ny 30 novambra ka hatramin’ny 30 aprily, raha tsy misy antony manokana”.

Nankatoavin’ny governemanta avy hatrany ireo fangatahana ireo, ka efa nivoaka tamin’ny 20 novambra lasa teo ny didim-panjakana nanemotra io fifdianana io.
Tsy azo hodian-tsy hita koa anefa fa navesatra tamin’ny FAT ny zava-nitranga nandritra ny referandaoma nataony ny 17 novambra. Rarakompana ny fahadisoana tamin’ny lisi-pifidianana, vitsy ny olona nifidy ary niharihary izany tamin’ny renivohi-paritra sy tanàn-dehibe maro, ka nandraisan’ny FAT didim-panjakana tampotampoka handrisihana ny olona handatsa-bato, toy ny nanemorana ho tamin’ny 6 ora hariva ny fikatonan’ny biraom-pifidianana raha tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro mba hanalavana ny fotoana fandatsaham-bato, ny nampiasana karinem-pokontany na koa fanamarinam-ponenana hifidianana. Ankoatra izay dia tsy mahita hatao kandida azo antoka fa handresy ny fitondrana tamin’ireo Kaominina maro, mampatahotra rahateo ny vokatr’iny referandaoma iny, ka zara aza nisy ny Parlemantera nangataka ny hanemorana io fifidianana io. F’angaha moa mahasolotena vahoaka indray ireo Parlemantera izay notendrena ireo ? I Andry Rajoelina izao no niteny ny andron’ny referandaoma fa “roso ity ka tsa mipody koa” koa naninona no niova hevitra tampoka indray ny governemanta ?
 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT