Politique

Antoko politika Nanao tolo-dalŕna ny Escopol


  • Talata 23 Novambra 2010

Tokony hotohizana ilay fifanarahana politika nosoniavina teny Ivato ary tokony hotohizana tahaka izany ihany koa ny fifampiresahana eo amin’ny ankolafy rehetra mba hametrahana vahaolana matotra sy maharitra hivoahana amin’ny krizy, araka ny hevitry ny Escopol.

Tsy tena hoe mikorontana isika ankehitriny, kanefa tsy milamina tsara ihany koa araka ny fahitan’ity Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika ity ny raharaham-pirenena. Porofon’izany ny fisian’ny fikomiana ataon’ny miaramila, ny sarintsarina asa fampihorohoroana etsy sy eroa, ary ny fahasahiranan’ny fitondrana tetezamita amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny tsy mbola nahazoana ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena hatramin’izao. Manizingizina ny Escopol fa ny fifanarahana eo amin’ny ankolafy politika rehetra ihany no tena vahaolana amin’ny krizy. Raha tsorina ny resaka dia anisan’ireo vondrona mandrisika ny fihaonan’ny Ankolafy Efatra ny Escopol na dia tsy milaza izany mivantana aza. Nanolo-kevitra ny amin’ny tokony handrafetana ny sata repoblikanina izay eken’ny antoko politika rehetra ihany koa ity vondrona ity ary mitaky ny hanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana manaraka.

Fa ankoatra izay dia nanolotra volavolan-dalàna roa teny amin’ny CST, izay azo atao hoe manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena ihany koa ny Escopol dia ny lalàna mifehy ny antoko politika sy ny fanafoanana ny fanagadrana ny mpanao gazety noho ny asany. Hatramin’izay tokoa mantsy dia tsy mazava mihitsy ny lalàna mifehy ireo sehatra roa ireo, ary samy nahatsikaritra ny rehetra fa afaka migalabona tsara amin’ny fanagadrana mpanao politika sy mpanao gazety ny fitondrana nifandimby satria mety amin’ny fitondram-panjakana ny lalàna manjavozavo. Azo ambara ihany koa fa ny tsy fisian’ny lalàna sy fitsipika mazava sy manaraka ny vanim-potoana iainana no naha gaboraraka ny fanaovana politika teto, tsy politika fampandrosoana ny firenena no nimasoan’ny ankamaroan’ireo mpanoa politika fa politika hamenoana paosy sy hijanonana faran’izay ela eo amin’ny fitondrana. Hatramin’izao, ohatra, tsy mazava mihitsy hoe avy aiza moa ny loharanom-bolan’ny antoko politika eto amintsika sy ny hoe firy marina ny Malagasy mpikambana mandoa latsakemboka ao anatina antoko politika. Hita fa rehefa akaiky fifidianana na ao anaty krizy vao mitsangana etsy sy eroa ny fikambanana sy antoko politika, matanjaka izy ireo rehefa tonga eo amin’ny fitondrana, ary miara-mirodana amin’ny mpanorina azy indray afaka taona vitsivitsy.

Mahatsapa tsara izany fahasamponan’ny fanaovana politika izany ny Escopol ka tapa-kevitra ny hanolotra volavolan-dalàna handaminana sy handrindrana ny fanaovana politika eto Madagasikara. Mila fandinihana tsara anefa fa tsy azo atao maimaika izany rehetra izany ary tsara jerena ihany hoe inona no tsy nahatanteraka ny fametrahana io lalàna momba ny antoko politika io nandritra ny fitondrana Ravalomanana, na dia efa nisy ihany aza ny fihaonana teny amin’ny lapan’Iavoloha ny 17 desambra 2008.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT