Nametraka taratasy teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana (HCC) mangataka tsotra izao ny hanafoanana ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 novambra lasa teo ny mpanohana ny TSIA sy ireo nisafidy ny tsy hifidy.
Amin’izy ireo mantsy dia fifidianana kitoatoa no nisy teto ary maro loatra noho izany ny tsy fetezana sy olana ara-teknika izay varavarana misokatra mankany amin’ny hala-bato. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny fahadisoana faran’izay betsaka tamin’ny kara-pifidianana, tamin’iny fitsapan-kevi-bahoaka iny no nahitana diso be indrindra tamin’ny karatra hatramin’izay nisian’ny fifidianana teto Madagasikara. Fa teo ihany koa ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana ka tsy nahavoasoratra ny anaran’ny ireo mpifidy rehetra. Anisan’ny fanohanan-kevitra ho amin’izany fangatahana ny hanafoanana ny fifidianana izany koa ny fahafahana mifidy amin’ny alalan’ny karnem-pokontany sy ny fanapahan-kevitra tampotampoka ny hampihemotra amin’ny 6 ora hariva indray ny ora fikatonan’ny birao fandatsaham-bato, izay azo nitarafana avy hatrany fa mandray baiko avy amin’ny fahefana mpanatanteraka fa tsy tena mahaleo ny CENI. Maro no mahita sy mahatsapa fa tsy tokony hatao ambanin-javatra izao fangatahana napetraka eny amin’ny HCC Ambohidahy izao satria raha atao ny kajy tsotsotra dia maro an’isa lavitra noho ny nifidy ny Eny ny nifidy ny Tsia sy ny tsy nandeha nifidy mihitsy.
Etsy ankilany, nandresy tao anatin’ny fifidianana tsy madio sy tsy mangarahara ny Eny ka tsy ho marin-toerana mihitsy noho izany repoblika ajoro amin’ny alalan’io lalàmpanorenana io. Tsara homarihana fa amin’ity fitsapan-kevi-bahoaka ity dia manangona ny vokatra avy amin’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy ary milaza ny vokatra vonjimaika ihany aloha ny CENI, fa ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no mamoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.