Taorian’ilay fanonganam-panjakana miaramila nitsefotra teny amin’ny BANI Ivato dia mandeha be ny resaka amin’izao fotoana fa hitohy ny fisamborana, ka ireo eritreretin’ny FAT fa lohandohan’ny mpisorona nifandray tendro tamin’ireo manamboninahitra mpanongam-panjakana no voakasik’izany.
Ho an’ny eto an-toerana manokana aloha dia voatonontonona matetika ny anaran’Atoa isany Monja Roindefo sy Pr Raymond Ranjeva. Ity farany moa taorian’ilay traga teny Ivato dia namoaka fanambarana avy hatrany nitaomany ny mpiray tanindrazana tsivakivolo hisikina herim-po ary hiaraka hamelona ny fampihavanana, hampanjaka ny fahatonian-tsaina ary hiroso amin’ny fanorenanan fiarahamonina vaovao. Tanjona amin’izany ny fananganana tetezamita tena izy, araka ny fanambarana nosoniavin’ny profesora Raymond Ranjeva ihany izay mitondra ny datin’ny 22 novambra 2010.
Ho an’ireo ao amin’ny Fitondrana avon’ny tetezamita dia antso ho amin’ny fanonganam-panjakana izany fa namboarina fotsiny ny fomba filaza azy. Ny praiministra teo aloha Monja Roindefo kosa dia tsy naharenesam-peo mihitsy taorian’ny raharaha BANI Ivato ary tsy naneho hevitra sy tsy nety nihaona tamin’ny mpanao gazety. Araka ny re anefa dia tsy hoe mipetra-potsiny izy fa tsy tapaka mivory sy mifampiresaka amina vondron’olona maro, tsy nisy nipika kosa anefa ny resaka. Ny olona teny amin’ny manodidina an’Ambolokandrina sy Ambohipo teny izay manakaiky ny tranon’ity praiministra teo aloha ity no nahatsikaritra fa maro ireo olona mifamezivezy miditra sy mivoaka ao amin’ny trano fonenan’i Monja Roindefo, ary hita teny an-toerana ihany koa ny vondrona tanora maromaro.
Fifanakalozam-baovao ve no natao tao sa fanomezana toromarika ? Tsy misy mahafantatra ny tena marina aloha fa dia miandry ny ho fizotry ny raharaha ny rehetra. Etsy ankilan’izay dia efa hatramin’ny sabotsy hariva no nifamoivoy teto an-drenivohitra ny resaka fa hoe ho samborina i Monja Roindefo fa nanana fifandraisana akaiky tamin’ireo mpikomy teny Ivato, hono, tahaka izany ihany koa Atoa Raymond Ranjeva. Zavatra tsy mora anefa ny hisambotra azy mirahalahy mianaka ireo satria olona manana ny maha izy azy sy manana ny mpanohana azy izy ireo. Ny iray moa mpitsara iraisam-pirenena misotro ronono kanefa mbola tena manana ny toerany eo amin’izany sehatra izany, sady anisan’ireo mpanolontsainan’ny Papa Ray Masina momba ny fandriampahalemana ka fahadisoan-kevitra politika goavana ny fisamborana azy ; ny faharoa kosa dia zanak’i Toliara, ary efa hatry ny ela no niteny ireo mpiray fiaviana aminy fa tsy hanaiky mora foana ny fisamborana azy fa dia ho avy amin’ny angady sy ny harona ary tsy matahotra fifandonana. Raha ny zava-nisy rehetra hatramin’izay anefa no zohina dia rehefa te hisambotra ny FAT dia misambotra, na iza io na iza. Ho hita eo ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.