“Ny zoma alina lasa teo no nifampiresahanay farany fony ry zareo mbola tany amin’ny fonjaben’i Fianarantsoa. Avy eo anefa dia nisy olona nilaza taminay fa nafindra amin’ny toerana tsy fantatra ireo olona arovanay, ary manafin-dresaka hatramin’ireo mpiandry fonja”.
Santionany tamin’ny fanazavana nentin’ny Me Razafimanantsoa Hanitra, mpiaro ireo mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ireo, izay nihaona tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy lasa teo. Hatramin’ny fotoana nanoratana dia tsy mbola fantatra marina izay namindrana an’i Fetison Rakoto Andrianiriana, Zafilahy Stanilas izay samy mpitarika eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana ary ny pastera Tsarahame Edouard, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Mpitranga any amin’ny firenena kaominista ny toy izany. Ankoatra ny zon’ny voampanga dia voahosihosy ihany koa ny zon’ny mpiaro, araka ny fanazavan’ity mpisolovava ity ihany. Tsy vao izao no nafindra toerana an-tsokosoko ireto mpitarika ireto fa raha tsiahivina dia ny alarobia hifoha alakamisy 12 novambra lasa teo izy ireo no nalefa tany Fianarantsoa, tsy nampahafantarina na ny fianakaviany na ny mpisolovava azy ireo. Dia mametra-panontaniana ireo mpanara-baovao ny amin’izay antony anafenana ny antony hamindran-toerana sy ny toerana hametrahana ireo mpanao politika ireto.
Hatreto aloha, tsy misy fanazavana fanampiny mihitsy na avy amin’ireo tompon’andraikitry ny fonja na ireo avy ao amin’ny ministeran’ny fitsarana na dia teo aza ny antso avo ny amin’ny tokony hisian’ny mangarahara momba ity raharaha ity. Tsiliantsofina no andrenesana fa hoe napetraka amin’ny toerana tsy lazaina mihitsy izy telolahy ireo. Loharanom-baovao hafa indray anefa no milaza fa naverina mangingina ao Ambatolampy ihany. Manahy mafy ny amin’ny ain’izy telolahy ireo ny fianakaviany. Ny vadin’ny pastera aza, araka ny fantatra dia tonga tany Fianarantsoa mba hanatitra fitafiana sy sakafo saingy tsy nahatratra azy ireo tao ny sabotsy teo. Nahitsy teny moa Rtoa Ravololomanana Lalatiana nilaza fa “tompon’andraikitra feno ireo namindra azy ireo raha sanatria maninomaninona ireo mpiara-mitolona aminy”. Tsiahivina fa tsy latsaky ny in-3 izany izao izy 3 mirahalahy no nafindra toerana hatramin’ny nihazonana azy ireo ny 11 novambra lasa teo. Ny 23 novambra, izany hoe rahampitso talata no tokony hitsarana azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.