Na teo aza ny fandokafana nataon’ny praiministry ny FAT azy tamin’ny nahavitana nisambotra ireo manamboninahitra namahatra tao amin’ny BANI dia mihazakazaka ny raharaha ary mandeha be ny feo fa tsy maintsy hesorina amin’ny toerana ny jly Ndriarijaona André, lehiben’ny etamazaoron’ny tafika Malagasy. Ny tsiliantsofina mantsy no nahafantarana fa anisan’ireo nisalasala hatramin’ny farany ny hisamborana ireo miaramila teny Ivato ny tenany. Toa tsy nahafaly ny teny Mahazoarivo sy ny tao Ambohitsorohitra anefa izany. Teo no nisy ny fizarana roa. Andaniny ny teny Mahazoarivo nanana ny ekipany izay notarihin’ny praiministra sy ireo miaramila mpikambana ao amin’ny governemanta. Ankilany, nanao hetsika manokana ireo lehiben’ny Toby eto an-drenivohitra sy ny CEMGAM. Io no mahatonga ny resaka ankehitriny fa tsy maintsy hiafara amin’ny fisarahana ny ekipan’i Mahazoarivo sy Andohalo. Ho hita eo moa ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.