Politique

Tsy fahatomombanan’ny referandaoma Manilika andraikitra ny CENI


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010

Fifidianana ratsy karakara indrindra hatramin’izay niantsoana ny olom-pirenena feno taona teto Madagasikara ny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina ny 17 novambra 2010. Mpifidy maro no tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana, karinem-pokontany sy taratasy fanamarinam-ponenana koa anefa dia efa azo nandatsaham-bato.

Na ny CENI izay rafitra nanomana ny fifidianana aza dia efa niaiky ny fisian’ny goragora sy tsy fahatomombanana maro ireo. Na izany aza anefa dia miezaka mandio tena ireo tomponandraikitra ao tamin’ny alalan’ny fanambarana navoakany ny sabotsy 20 novambra teo. Nailiny any amin’ny vaomiera misahana ny fanisam-bahoaka eny anivon’ny Fokontany (CLRE) sy ny sampandraharaha miandraikitra ny fampidirana ny anaran’ny mpifidy anaty solosaina sy ny famoahana ny kara-pifidianana eny anivon’ny Faritra (CIR) avokoa ny tsy fetezana rehetra momba ny lisi-pifidianana.

Nambarany fa nisy vokany tamin’ny famolavolana ny lisi-pifidianana ny fahataran’ny fandefasana ny vokatry ny fanisam-bahoaka teny amin’ny CIR ary maro koa anefa ny fahadisoana sy tsy fahamatorana nataon’ireo mpiasa amin’ity sampandraharaha ity. Nisy akony ratsy tamin’ny kalitaon’ny asan’ireo sefo Fokontany sy ny mpiasan’ny CIR koa ny fahatarana tamin’ny fandoavan’ny ministeran’ny Atitany ny karaman’izy ireo. Notsindrian’ny CENI fa ny 02 novambra vao nafindra tanteraka tamin’ireo rantsamangaikany isam-paritra, Distrika ary Fokontany ny andraikitra rehetra momba ny fifidianana. Farany dia milaza hanao fanadihadiana lalina momba ny andraikitry ny tsirairay izay nandray anjara tamin’iny fitsapan-kevi-bahoaka iny ity rafitra mpikarakara ny fifidianana hamantarana izay nanao fahadisoana ka handraisana fanapahan-kevitra. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT