- Talata 28 Desambra 2010
Politique.Magro Behoririka ”I Dada miverina ihany …”
Nitohy omaly tao amin’ny Magro Behoririka ny hetsiky ny ankolafy telo, fitakiana ny fiverenana amin’ny ara-dalàna sy fametrahana ny tetezamita tena izy.
Hamaky ny tohinyNitohy omaly tao amin’ny Magro Behoririka ny hetsiky ny ankolafy telo, fitakiana ny fiverenana amin’ny ara-dalàna sy fametrahana ny tetezamita tena izy.
Hamaky ny tohinyNy jeneraly Rakotonandrasana Noël, ny kolonely Djadifara ary ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles indray no ho tonga eny amin’ny lapan’ny Fitsarana anio hatao famotorana farany mikasika ny raharaha BANI.
Hamaky ny tohinyMampametra-panontaniana ny maro ihany ny fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy ny GTT Iraisam-pirenena manana ny foibeny any Genève. Tsy vao izao akory ny fandranitana ny fianakaviambe iraisam-pirenena ataon’ny FAT, hirosoany hatrany amin’izay heviny.
Hamaky ny tohinyNa dia ao anatin’ny asaramanitra aza isika dia manamarika izany koa fa mifarana indray ny taona ho an’i Madagasikara. Toa mbola ho maloka ny hoavy, hoy ny loholona Naika Eliane satria maro ireo lasibatry ny krizy politika, ny asa fampihorohoroana, ny loza voajanahary, anisan’izany ny kere any Atsimo.
Hamaky ny tohinyHo an’Atoa Alain Ramaroson dia misy firenena vahiny matanjaka ao ambadiky ny krizy eto Madagasikara. Manao izay rehetra hampikorontana antsika io firenena vahiny io, araka ny filazany mba hahafahany mitroka sy maka tsimoramora ny harena voajanahary rehetra misy eto na ny ambanin’ny tany izany na ny any an-dranomasina.
Hamaky ny tohinyNanamafy Atoa Pierre Lenoble, filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ho an’ny faritanin’i Mahajanga fa tsy misy mieritreritra izany hanala na hanolo mpikambana sasany eny amin’ny CT Tsimbazaza izany noho ny disadisa anatiny eo anivon’ny Escopol, na noho ny mety ho fidiran’ny vondrona politika hafa ao anatin’ny rafitra tetezamita.
Hamaky ny tohiny