Politique

Lapan’ny Fitsarana Anosy Inona no hitranga ?


  • Talata 28 Desambra 2010

Ny jeneraly Rakotonandrasana Noël, ny kolonely Djadifara ary ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles indray no ho tonga eny amin’ny lapan’ny Fitsarana anio hatao famotorana farany mikasika ny raharaha BANI.

Araka ny loharanom-baovao anefa dia tsy nanaiky hatramin’ny farany hanao ilay fifampifanatrehana amin’ireto manamboninahitra ireto ny jeneraly Ndriarijaona André, lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika. Im-betsaka no fantatra fa nandefasana fiantsoana ity tomponandraikitra ity saingy milaza ho sahirana foana. Efa ela no tokony ho nanaovana famotorana farany ireto manamboninahitra ireto ity saingy tsy nanaiky izy ireo raha tsy mifanatrika amin’ny lehiben’izy ireo. Noho ity farany tsy tonga mihitsy anefa dia tsy maintsy atao ny azy ireo ary araka ny loharanom-baovao ihany dia hofaranana amin’ity herinandro ity ny mikasika iny raharaha BANI iny. Etsy andanin’izay dia efa andrasan’ny maro ihany koa ny fiavian’ireto manamboninahitra ireto eny amin’ny Fitsarana satria betsaka ny resaka mikasika azy ireo taty ivelan’ny fonja. Andrasana ihany koa ny fotoam-pitsarana azy ireo ahalalana zavatra maro. Ho hita eo avokoa izany ! 

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT