Politique

Magro Behoririka ”I Dada miverina ihany …”


  • Talata 28 Desambra 2010

Nitohy omaly tao amin’ny Magro Behoririka ny hetsiky ny ankolafy telo, fitakiana ny fiverenana amin’ny ara-dalŕna sy fametrahana ny tetezamita tena izy.

Tamin’izany no nanaovan’ny mpandray fitenenana tao fanamarihana fa Atoa Marc Ravalomanana ihany no mendrika ho filoha satria tsy manadino ny vahoaka nandritra ny krismasy. Mariky ny fitiavana izany, ary namelona indray ny fanantenana ary nampiredareda hafanampon’ny mpitolona hanohy hatrany ny tolona hanavotana an’i Madagasikara sy ny Malagasy amin’izao fahavoazana manjo azy izao. I Ignace no nanao fampahatsiahivana fa ny tany afrikanina zanatany frantsay ary mpikambana ao anatin’ny frankôfônia no be fanonganam-panjakana indrindra eto an-tany. Efa napiaiky an’izao tontolo izao ny dingana ho amin’ny fampandrosoana vitan’i Madagasikara ary efa niainana teto ny demokrasia kanefa dia mandroso kely dia mihemotra be vokatr’io fanonganam-panjakana io, hoy ihany izy, dia izao tsy filaminana izao no aterany. Ary izay, araka fanazavany ihany no mahatonga ny vondrona toy ny SADC izay misy an’i Madagasikara miditra an-tsehatra amin’ny fanelanelanana hamahana ny olana.

Hentitra ny teny tao omaly fa dia fandaniana andro avokoa ny resaka governemanta, CT sy CST misy ankehitriny fa ravao aloha ireo dia mamorona vaovao dia miditra izahay, hoy ny Dr Julien. Ny depiote Rodin Rakotomanjato, moa tetsy andaniny nilaza fa miherina ihany ity ny taona nefa tsy mbola hita ilay fiovana. Fiovana mankany amin’ny ratsy no miharihary hatreto, hoy izy tahaka ny manjo ny Magro Ankorondrano izay tafo lanitra no niafarany ankehitriny. I Dada miverina eto ihany no vahaolana, hamerenana amin’ny laoniny indray ny fihariana, ny filaminana ary koa ny fampandrosoana an’i Madagasikara sy ny demokrasia, hoy ireo rehetra nandaha-teny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT