Politique

Pierre Lenoble – Filoha lefitry ny CT Ahemory ny fifidianana depiote !


  • Talata 28 Desambra 2010

Nanamafy Atoa Pierre Lenoble, filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita ho an’ny faritanin’i Mahajanga fa tsy misy mieritreritra izany hanala na hanolo mpikambana sasany eny amin’ny CT Tsimbazaza izany noho ny disadisa anatiny eo anivon’ny Escopol, na noho ny mety ho fidiran’ny vondrona politika hafa ao anatin’ny rafitra tetezamita.

Fampitahana tsotra moa no namintinany ny heviny manao hoe : «raha misy vahiny tonga ve ao amin’ny tokantrano iray dia avoaka ny trano indray ny tompon-trano ?». Fanatevenana fa tsy fandravana velively ny rafitra efa misy no tokony hatao araka ny nambarany. Araka ny fahitany azy moa dia aorian’ny fety, izany hoe amin’ny taom-baovao mihitsy no tanterahana ny fanovana ny governemanta sy ny mety fanamiana ny mpikambana ao amin’ny Kongresy (CT) sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST). Nanamafy ihany koa izy fa efa ao anatin’ireo rafitra ireo ny Ankolafy Telo fa olana anatiny amin’izy ireo nomahatonga ny resabe etsy sy eroa. Efa hita ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avokoa ireo olon’ny fitondrana rehetra teo aloha niara-niasa tamin’ireo filohan’ny Ankolafy Telo, hoy Atoa Pierre Lenoble, ka inona indray no mbola tadiavina mihoatra izany.

Efa hita taratra amin’ny zava-misy amin’izao fotoana ny fiaraha-mitantana, araka ny nambarany fa fandaminana kely sisa no atao amin’ny volana janoary dia tokony hizotra tsara amin’izay ny fametrahana ny Repoblika IV. Nilaza ny heviny momba ny fifidianana solombavambahoaka kasain’ny FAT hatao amin’ny 16 martsa ihany koa Atoa Pierre Lenoble, ka nilaza mazava fa tokony hahemotra io daty io satria antomotra loatra. Mitovy fomba fijery amin’ny ankamaroan’ny olona sy ireo vondrona politika maro izy ka nanitrikitrika fa mbola ao anatin’ny vanim-potoan’ny orana mihitsy izany 16 martsa izany ka tsy mety hanaovana fifidianana. Efa nifanarahana ihany koa araka ny nambarany fa amin’ny vanimpotoan’ny maintany no hanaovana ny fifidianana rehetra eto Madagasikara dia tokony hohajaina izany. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT