Politique

Naika Eliane «Toa mbola ho maloka ny hoavy»


  • Talata 28 Desambra 2010

Na dia ao anatin’ny asaramanitra aza isika dia manamarika izany koa fa mifarana indray ny taona ho an’i Madagasikara. Toa mbola ho maloka ny hoavy, hoy ny loholona Naika Eliane satria maro ireo lasibatry ny krizy politika, ny asa fampihorohoroana, ny loza voajanahary, anisan’izany ny kere any Atsimo.

Manao antso avo ho an’ireo mpiray tanindrazana ny tenany mba samy handray an-tanana ny hoavin’i Madagasikara ka hanandratra ambony ny firaisankina Malagasy ka hiaraka hikatsaka ny fahafahana ho an’i Madagasikara. Lasibatry ny fanjakan’olon-tokana baikoana tombontsoan’ny vahiny ny vahoaka malagasy. Manoloana izany dia mankahery ny Malagasy hiray hina hatrany Rtoa Naika Eliane manoloana ny safidim-bahoaka sy ny vina entin’ny filoha Ravalomanana ho an’i Madagasikara. Tamin’ny fandalovany teto Madagasikara, hoy ity loholona, no nilazan’ny Dr Leonardo Simao, solontenan’ny GIC sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa tsy hisy fankatoavana iraisam-pirenena raha toa ka tsy tafapetraka ny tetezamita iraisana sy tenierana izay hiantoka filaminana sy fandriampahalemana maharitra. Lavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy izy, izay fihetsika na tari-tokana.

Vao tsy ela akory izay, hoy ihany i Naika Eliane ny nandavan’ny Vondrona Afrikanina sy Etazonia ary Eoropa ny fitsapan-kevi-bahoaka momba ny lalàmpanorenana izay nataon’ny FAT. Tsy nahazo fankatoavana ny Repoblika IV araka izany. Ny fametrahana izay tetezamita iraisana sy tenierana, andraisan’ny rehetra anjara sy ny fiverenana hifampidinika an-databatra boribory izay no himasoan’ny filoha Ravalomanana sy ny antoko Tiako i Madagasikara, hoy izy ary dia tokony hanaraka izany lalana sy toromarika izany ireo mpikambana rehetra eo anivon’ny antoko. Nambarany moa fa dia tsy mandray ary tsy handray anjara amin’izay andrim-panjakana hapetraky ny FAT amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny TIM. Samy mahatsapa, hoy izy, ireo mpikambana teo anivon’ny antoko niditra tamin’ireo rafitra napetraky ny FAT saingy tsy nahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany hatramin’izao. Fihetsika notairin’ny tombontsoa manokana ihany izany ary dia tokony ho karazana anatra ho an’ny rehetra satria tsy adala akory ny rehetra ka tsy hahay hanavaka ny tena ilain’ny vahoaka sy ny ilain’ny olona manokana na iza izy na iza.

«Amin’ny maha mpikambana ahy eo anivon’ny TIM dia mangataka amin’ireo mpiray tanindrazana rehetra ny tenako hifanolo-tanana ahitana vahaolana maharitra ho an’i Madagasikara, ahitany indray ny lalan’ny fahafahana, ao anatin’izany ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana sy ny famotsorana ireo gadra politika rehetra», hoy ihany i Naika Eliane, namarana ny antso avo nataony.
 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT