Mampametra-panontaniana ny maro ihany ny fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy ny GTT Iraisam-pirenena manana ny foibeny any Genève. Tsy vao izao akory ny fandranitana ny fianakaviambe iraisam-pirenena ataon’ny FAT, hirosoany hatrany amin’izay heviny.
Midika izany, hoy ny GTT Iraisam-pirenena fa asa very maina ihany ny iraka ampanaovina ny SADC aty Madagasikara. Anisan’izany, araka ny fanazavana ny namoahan’ny FAT didim-panjakana miantso ny mpifidy amin’ny fifidianana solombavambahoaka kasainy hatao ny 16 martsa 2011 ny 14 desambra lasa teo kanefa dia mbola tao anatin’ny fifampidinihana teto an-toerana ireo iraky ny SADC tamin’io fotoana io. Ary dia niandry tsara ny fandehanan’ireo iraka ny FAT ny 19 desambra vao namoaka izany didim-panjakana izany. Tsiahivina, hoy ihany ny GTT fa ny kisarintsarina fitsapan-kevi-bahaoka natao ny 17 novambra lasa teo dia tsy nankatoavin’ny maro an’isa kanefa dia miezaka mafy hametraka izany ireo mpanongam-panjakana mba hampanankery ny fahefany. Manoloana ireo fihetsika sy fihantsiana izay mitory fa tsy handray anjara amina tenierana izany i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy dia tsy afaka ny hatoky ireo sokajin’olona ireo ny vondrona GTT Iraisam-pirenena satria tsy vao izao akory no nanda ny teny nataony izy ireo.
Mangataka amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena àry ny GTT International mba hampiharana haingana sy tsy misy fepetra ny fanasaziana nambaran’ny Vondroan Eoropeanina ho an’ireo olona 109 voarohirohy tao anatin’ny fanonganam-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina. Mitaky koa ity vondrona ity mba handraisan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny andraikitra toy izay mitranga any Côte d’Ivoire, mba hanerena ireo mpanongam-panjakana hanaiky ny tenierana sy ny dingana rehetra hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Ankoatra izay dia heverin’ny GTT Iraisam-pirenena fa tokony hisy koa fepetra horaisina hiarovana ny maha-olona. Fanontaniana moa no napetrak’ity vondrona ity raha toa ka midika ho tsy ara-dalàna ingahy Laurent Gbagbo dia inona no azo ambara ny amin’i Andry Rajoelina izay tompon’antoka tamina fanonganam-panjakana. Tsiahivina, hoy ihany ny GTT Iraisam-pirenena ireto fa dia fanonganam-panjakana sy fakana fahefana tamin-kery tokoa no nisy teto Madagasikara ary dia niaiky izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Heverin’ny GTT Iraisam-pirenena àry fa mendrika sazy miaraka avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Andry Rajoelina sy ny tariny rehefa avy namono ny demokrasia teto Madagasikara.
Manoloana izany indrindra dia mangataka ny fidirana an-tsehatra maika sy haingan’ny borigadin’ny SADC ny GTT Iraisam-pirenena hamerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary handrava sy haka ny fitaovam-piadiana eny ampelan-tanan’ireo milisy mpampihorohoro. 21 volana izao no niaretana sy niadian’ny vahoaka malagasy tamin’ny jadona, hoy ihany ny GTT Iraisam-pirenena ka izany no hitakiana ny fandraisan’andraikitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hamerenana ny ara-dalàna sy ny filoha lanim-bahoaka Ravalomanana Marc. Ankoatra izay moa dia takian’ny GTT Iraisam-pirenena mba tsy ho anisan’ireo handray anjara amin’io dingana io i Frantsa satria tsy afaka ny tsy homba ny atsy na ny aroa izy noho ireo tombontsoa ara-toekareny eto Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.