Ho an’Atoa Alain Ramaroson dia misy firenena vahiny matanjaka ao ambadiky ny krizy eto Madagasikara. Manao izay rehetra hampikorontana antsika io firenena vahiny io, araka ny filazany mba hahafahany mitroka sy maka tsimoramora ny harena voajanahary rehetra misy eto na ny ambanin’ny tany izany na ny any an-dranomasina.
Efa fantatry ny any ivelany tsara fa miainga i Madagasikara ary manana ny harena rehetra ilaina amin’ny hampatanjaka ny toekareny, hoy ity mpikambana ao amin’ny CST misahana ny vaomieran’ny filaminana sy ny fandriampahalemana ity, ka izay no mampihazakazaka ny vahiny eto amintsika. Azo antoka araka ny nambarany fa misy solika eto Madagasikara ary tena manana harena ankibon’ny tany betsaka isika. Noho izany rehetra izany dia manomboka miavaka raha samy firenena Afrikanina i Madagasikara, araka ny nambarany ihany koa dia nanapa-kevitra ny hisakana azy amin’ny fivoarany ny vahiny. Nanamafy Atoa Alain Ramaroson fa ny SADC no ampiasain’ity firenena vahiny matanjaka ity. Notsipihany mazava koa fa firenena matanjaka ary mampiasa ny teny anglisy io manana eritreritra ny hanjakazaka eto Madagasikara io.
Mazava be ny resaka eto fa i Etazonia no tian’Atoa Alain Ramaroson ambara na dia tsy sahy milaza izany mivantana tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety aza izy. Ny mahagaga anefa dia toa mitapi-maso tanteraka manoloana ny tetiky ny Frantsay ity mpanohana mahafatra-po ny fitondran’i Andry Rajoelina ity. Toa adinony fa ny Frantsay izao no mahazo tombony goavana amin’ny fitrandrahana solika eto ary efa manomboka maka toerana any amin’ny seha-pihariana hafa ihany koa ireo mpandraharaha teratany Frantsay. Mampanontany tena ny mpanara-baovao koa ny hoe : moa va fantatr’ingahy Alain Ramaroson ny tombontsoa mihoapampana azon’ny Sinoa amin’ilay fitrandrahana vy ao Soalala nomen’ny fitondrana tetezamita azy. Nilaza koa moa ity mpikambana CST ity fa maro ireo mpandraharaha sy orinasa (vahiny) vonona ny hampiasa ny volany eto. Azo antoka avokoa ve izy ireny sa manome vola fotsiny dia ampidirina ? Rehefa natao anefa ny fandinihana lalina dia tsy mahagaga ihany raha mitovy hevitra amin’ireo rehetra manohana an’i Andry Rajoelina Atoa Alain Ramaroson, ka mankahala mafy ny Amerikanina ary manambitamby ny Frantsay, izay efa mazava fa manohana ny hetsika nataon’i Andry Rajoelina hatramin’izay ka hatramin’izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.