• Zoma 14 Janoary 2011
Politique.Pasitera Mailhol «Mpivadibadi-dela ny Tetezamita ankehitriny»

Efa fomba fanaon’ny fitondrana tetezamita ankehitriny ny mivadibadi-dela amin’izay zavatra nolazainy, hoy ny Pasitera Mailhol ka tsy mahagaga intsony ity fanemoran-dava ny fotoam-pifidianana efa nofaritana mialoha ity. «

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 14 Janoary 2011
Politique.Fanonganam-panjakana Manaiky ankolaka i Reboza Julien

Mbola miteraka adihevitra eo amin’ireo mpanara-baovao ny ampamoaka nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, nilazany fa fanonganam-panjakana in-droa nisesy no nataony niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny FAT ankehitriny.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 14 Janoary 2011
Politique.Raveloson Constant “Tafidi-kizo ny foloalindahy Malagasy”

Niova kely, tsy toy ny mahazatra ny lahateny nataon’i Constant Raveloson omaly tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 14 Janoary 2011
Politique.Andro tsy hiasana Miteraka adihevitra goavana ny «11 desambra»

Nandritra ny filankevitry ny governemanta ny talata lasa teo no nanapahana sy namerana ireo andro tsy hiasana, nefa handraisan-karama amin’ity taona 2011. Saika tafiditra ao amin’ny faran’ny herinandro moa izy ireo ary anisan’izany ny alahady 11 desambra, izay hotsarovana sy homarihana manokana manomboka amin’ity taona ity, araka ny fanapahan-kevitr’izao fitondrana izao, satria daty nahaterahan’ny Repoblika faha-IV.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 14 Janoary 2011
Politique.Lietna-kolonely Charles Andrianasoavina Vavolombelona manelingelina ny FAT ?

Araka ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy dia tena nanao ny tsy fanao araka ny fomba fiteny ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina tamin’ilay ampamoaka nataony teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny 05 janoary 2011 teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 13 Janoary 2011
Politique.Marimaritra iraisana Be fanantenana i Simao

Nigadona eto Madagasikara hatry ny omaly tolakandro ny Dr Leonardo Simao, hanohy indray ny asa fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy, anirahan’ny SADC ny delegasiona tarihiny eto.

Hamaky ny tohiny
FTT