Politique

Raveloson Constant “Tafidi-kizo ny foloalindahy Malagasy”


  • Zoma 14 Janoary 2011

Niova kely, tsy toy ny mahazatra ny lahateny nataon’i Constant Raveloson omaly tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka.

Nataony toy ny angano sy tantara an-tsehatra ny zava-nisy sy zava-misy eto amin’ny firenena. Rehefa hitan’ireo mpitondra fa mampalahelo ny foloalindahy Malagasy, hoy izy, dia nanaovana fanovana goavana. Nakarina grady, ohatra, ireo rehetra nanampy tamin’ny fanonganam-panjakana, eny fa na efa nisotro ronono aza. Ireo tena nanompo ny fanjakana kosa, hoy Raveloson Constant dia nampijaliana ary miaramila tsotra no lasa mibaiko. Nambaran’i Constant Raveloson fa anisan’ny zavatra nantenaina omaly (12 janoary), ny resaka madio teo amin’i Andry Rajoelina sy ireo tena manambonihaitra.

Fanontaniana moa no napetrany raha vozon’iza tokoa no arovan’ny tafika sa fitondran’olo-tokana ?Manamboninahitra ve dia tambazana kiraro sy akanjo nefa tsy miaramila tsotra akory ? Ireo manao ny marina anefa mangasihasy”, hoy ihany izy nanoloana ny zavatra niseho teny amin’ny BANI. Avy amina firehana samihafa ireo manamboninahitra toa an-dry Coutiti (Ratsiraka), sy Charles (Rajoelina), ary Raoelina (Ravalomanana) kanefa noho ny fahitan’izy ireo ny loza mianjady amin’ny firenena dia nitambatra izy ireo kanefa dia any am-ponja no niafarany, hoy ihany ity mpitari-tolona avy amin’ny “Mafana” ity. Iray tsy mivaky tokoa ny foloalindahy, hoy izy fa Rajoelina no nampizarazara azy. Ankoatra izay dia nohitsiany ihany koa i Norbert Lala Ratsirahonana raha toa ka efa mihevitra ny hiditra ao anatin’ny tetezamita tena izy indray. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT