Nandritra ny filankevitry ny governemanta ny talata lasa teo no nanapahana sy namerana ireo andro tsy hiasana, nefa handraisan-karama amin’ity taona 2011. Saika tafiditra ao amin’ny faran’ny herinandro moa izy ireo ary anisan’izany ny alahady 11 desambra, izay hotsarovana sy homarihana manokana manomboka amin’ity taona ity, araka ny fanapahan-kevitr’izao fitondrana izao, satria daty nahaterahan’ny Repoblika faha-IV.
Vaka ihany ny sain’ny maro raha nahare io vaovao io, ary niainga ny adihevitra hoe nahoana moa no tsy maintsy homarihana manokana io daty io, ary natao ho andro tsy fiasana kanefa handraisan-karama ? Dia ahoana izany ny amin’ny daty nahaterahan’ireo Repoblika telo voalohany. Nisy ny fotoana nanamarihana ihany ny nahaterahan’ny Repoblika Voalohany, saingy nihalefy ny fanaovana izany, ary tsy nisy mihitsy ny didim-panjakana nametraka azy io ho tsy fiasana kanefa handraisan-karama. Ny datin’ny 26 Jona izay fetin’ny fahaleovantena ihany no ankalazaina ary manampy azy ny 29 martsa nanamarika ny tolom-panafahan’ireo mahery fo tamin’ny 1947. Raha ny fomba fanao maneran-tany ihany koa dia ny daty nanamarika ny fahaleovantena na ny tolom-panafahana lehibe nitranga ihany no tena ankalazaina sy natao tsy hiasana anefa handraisan-karama fa tsy ny daty nahaterahan’ny Repoblika izany.
Ary raha ohatra koa aza fa hoe hanokanana andro iray avy tsy hiasana kaneka handraisan-karama ny nahaterahan’ireo Repoblika rehetra eto amintsika, dia hitombo efatra be izao izany ny andro tsy iasana ao anatin’ny taona iray. Ho an’ny maro dia hafahafa ihany ity fanapahan-kevitr’ity fitondrana ity ary toa mbola manaporofo hatrany ny fitiavana misehoseho sy manao fety ary manava-tena. Hoy ny raim-pianakaviana iray hoe : «be hambom-po loatra angamba i Andry Rajoelina ka te hametraka ao anatin’ny tantara mihitsy ny zavatra nataony. Tsy hoe rehefa malaza sy miavaka dia tsara, fa niaraha-nahita ny zava-nitranga rehetra teto izay nitarika fahapotehan’ny fahendrena ary nitondra amin’izao gaboraraka sy fandikan-dalàna eto izao» ? Tsy tokony hahagaga, hoy koa ny renim-pianakaviana iray raha toa ka ataon’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy andro tsy hiasana kanefa handraisan-karama koa atsy ho atsy ny 7 febroary !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.