Politique

Marimaritra iraisana Be fanantenana i Simao


  • Alakamisy 13 Janoary 2011

Nigadona eto Madagasikara hatry ny omaly tolakandro ny Dr Leonardo Simao, hanohy indray ny asa fanelanelanana amin’ny famahana ny krizy, anirahan’ny SADC ny delegasiona tarihiny eto.

Be fanantenana ny tenany ny amin’ny hahitana marimaritra iraisana eo amin’ireo ankolafy midinika na tsy mbola nanome fandaharam-potoana na koa sori-dalana mikasika izany aza ny tenany. Aleo tsy miresaka betsaka aloha, fa eo isika mahita izy, hoy izy. Ny hany nambarany dia misokatra amin’ny rehetra ny fihaonana sy ny fandraisana tolokevitra. Milaza ny tsy mahalala no tsy te haneho hevitra momba ilay resabe nandeha teto mikasika ny fisian’ny tararasin’ny Firenena Mikambana, noriritin’ny mpomba ny FAT fa fankatoavana ny fitondran’ity farany, ny Dr Simao.

Tetsy ankilan’izay dia nihaona tamin’ny ankolafy Zafy teny Ivandry ny avy amin’ny CNOSC. Tsy nisy nipika ny fihaonan’ny roa tonta izay naharitra ora roa teo. Amin’ity anio ity, raha tsy misy ny fiovana, dia hitohy indray ny dinika eo amin’ny Tiako I Madagasikara sy ny TGV miaraka amin’ny UDR-C. Raha ny lojika dia tonga eo amin’ny fandrafetana ilay fifanarahana lasitra ifanaovan’ny roa tonta ny dingan’ny fihaonana ankehitriny. Tsiliantsofina no andrenesana fa fanirian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sady mpitarika ny Ankolafy Ravalomanana ny mba hatrehin’ny solontena iraisam-pirenena ny fanaovana izany ho vavolombelon’izay voasoratra sy ho fampanajana ny teny nomena sy nekena.
 
Jean D.
 
Sary : Dr Leonardo Simao teo am-pahatongavana teny Ivato omaly (sary : RADO)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT