Politique

Pasitera Mailhol «Mpivadibadi-dela ny Tetezamita ankehitriny»


  • Zoma 14 Janoary 2011

Efa fomba fanaon’ny fitondrana tetezamita ankehitriny ny mivadibadi-dela amin’izay zavatra nolazainy, hoy ny Pasitera Mailhol ka tsy mahagaga intsony ity fanemoran-dava ny fotoam-pifidianana efa nofaritana mialoha ity. «

Tsapa izao fa tsy mahaleotena mihitsy ny CENI satria nahoana ry zareo no izao vao miteny hoe tsy mety ny fanatanterahana fifidianana amin’ny andro avy orana izay tsy noteneniny akory tany amin’ny fikaonandoham-pirenena teny Ivato ?». «Amiko», hoy ny Pasitera Mailhol, «dia aleo tsy miteny toy izay mivadibadika amin’ny teny nomena izany. Nolazaina taloha fa tsy miara-miasa amin’ny mpampihorohoro ny tetezamitan-dRajoelina nefa iza izao ireo miaraka aminy ao amin’ireo rafitra mpanao lalàna natsangana ireo ? Nolazaina fa tsy mila fifampidinihana izany intsony ry zareo nefa izao miverina amin’ny latabatra boribory izao indray».

«Mbola ho henjana ny resaka politika eto amintsika amin’ity taona ity», hoy ny Pasitera Mailhol, «satria hiaraka hitondra ny firenena ireo tsy mitovy firehan-kevitra ka mazava loatra fa tsy maintsy samy hifandrirotra amin’izay itiavany azy avokoa amin’ny fitondrana ny fiainam-pirenena. Fankatoavana iraisam-pirenena no tadiavina ka tokony ho ilay fifanarahana tany Maputo ihany no harahina rehefa hifanaraka ihany satria ny Ankolafy Telo dia tsy hiala amin’io mihitsy». Nanizingizina ny Pasitera Mailhol fa «tsy ho vita amin’ity taona 2011 ity ireo fifidianana rehetra kasaina hatao satria raha amin’ny volana mey no heverina hanatanterahana ny voalohany dia telo volana aorian’izay vao azo atao ny faharoa, izany hoe any amin’ny aogositra miditra septambra efa hiditra amin’ny fotoam-pahavaratra manaraka indray, dia amin’ny taona 2012 indray mifankahita».

Ho an’ny Apokalypsy manokana dia tsy misy afa-tsy ny mivavaka ho an’ny mpitantana ny tetezamita sy ny mpanao politika mba hiraisan’izy ireo saina tanteraka ahazoan’ny vahoaka Malagasy mivoaka amin’izao krizy izao no anjara andraikiny araka ny filazan’ny Pasitera Mailhol ihany. Ao anatin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly manerana ny Nosy mba hananana olona tena matahotra an’Andriamanitra dia haparitaka manerana ny Faritany 6 teo aloha ny Radio Fanambarana.
 
Manohy
 
sary : Pasitera Mailhol

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT