Politique

Fanonganam-panjakana Manaiky ankolaka i Reboza Julien


  • Zoma 14 Janoary 2011

Mbola miteraka adihevitra eo amin’ireo mpanara-baovao ny ampamoaka nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, nilazany fa fanonganam-panjakana in-droa nisesy no nataony niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny FAT ankehitriny.

Manoloana izany moa dia nanambara ingahy Reboza Julien, izay mpikambana eo anivon’ny CST fa kelikely ihany ny fandraisan’anjaran’ny Capsat tamin’ireny fotoana ireny, nanonganana ny fitondrana Ravalomanana. Vonona hanohana an’i Andry Rajoelina ny vahoaka, hoy izy na teo na tsia ny miaramila. Raha ny filazan’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina kosa anefa tetsy andanin’izany dia nomena vola ireo miaramila, anisan’izany ny tenany mba hanafaingana ny asa rehetra. Raha tsiahivina tokoa manko, taorian’ny 26 janoary sy ny 7 febroary dia lefy ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina ka iny 8 martsa sy 17 martsa iny no teti-panorona farany nentiny namita hatramin’ny farany ny iraka nataony. Karazan’ny manaiky ankolaka ihany koa amin’izao fanambarany izao ingahy Reboza fa dia nisy tokoa ny fakana fahefana tsy tamim-pomba demokratika.

Nangonin’i Soa  
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT