Araka ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy dia tena nanao ny tsy fanao araka ny fomba fiteny ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina tamin’ilay ampamoaka nataony teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny 05 janoary 2011 teo.
Na marina tanteraka aza mantsy, na marina amin’ny ampahany, eny fa na dia diso koa aza ny nambarany fa nahazo vola izy ary nanongam-panjakana tamin’ny 2009 dia miray hevitra ny maro fa tsy tsara toerana hiteny sy hamoaka izany izy tamin’iny satria tsy manampahefana intsony ary olona voarohirohy tamina fanonganam-panjakana ka mety ho sarotsarotra ihany ny hino tanteraka ny zavatra ambarany, sao dia fiarovan-tena sy fanadiovan-tena fotsiny. Na dia nilaza koa aza ity manamboninahitra ity fa manana porofo maro be tamin’ny zavatra nambarany dia azo antoka fa ho sarotra ho azy ny hamoaka ho fantatry ny besinimaro izany porofo izany amin’izao fotoana, satria efa nandray ny fepetra rehetra tsy hahafahany manao izany ny fitondram-panjakana, tahaka ny famindrana kartie azy any Tsiafahy, ohatra.
Ary efa mandeha koa aza ny feo fa raha mbola be resaka amin’ny fianakaviny ny lietnà-kolonely Charles dia mety tsy azo tsidihana eny Tsiafahy intsony koa. Izay eo ihany fa ny tena mampanahy ny maro, indrindra fa ireo olona akaiky ity manamboninahitra avy ao amin’ny Capsat ity dia sao hiharan’ny fampijaliana na sanatria famonoana mangingina any izy. Azo sokajiana ao anatin’ireo atao hoe vavolombelona manelingelina (témoin gênant) ho an’ny FAT mantsy ity manamboninahitra nalaza teny amin’ny Episcopat ny 17 martsa 2009 tamin’ny alalan’ilay fehezanteny hoe «résolution par la force» ity. Zavatra mpitranga amin’ny firenena mandalo krizy tahaka antsika izao ny olona tsy hita popoka tampoka na marary dia maty tampoka.
Ary mangina tanteraka ny momba ilay raharaha rehefa avy eo fa tsy misy fanadihadiana mitohy izany. Sanatriavina ihany anefa izany ! Koa miandry ny rehetra taorian’ilay ampamoaka nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina hoe inona no ho tohiny ary inona avy ny zavatra mety hitranga ato ho ato. Mety hisy akony amin’ny fomba fijerin’ny sehatra iraisam-pirenena ny toe-draharaha eto ve iny ? Hanalefaka ny herin’i Andry Rajoelina ve sa hanamafy ny tanjaky ny Ankolafy Telo ? Ho hita eo ny mety ho tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.