• Zoma 11 Febroary 2011
Politique.«Justice et Paix» Mitaky ny hitsarana ireo «Grands Dossiers»

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitra taorian’ny nahatsiarovana ny faharoa taonan’ny 7 febroary. Ho an’ny fikambanana katolika «Justice et Paix», ohatra, dia nambaran’ny Sekretera jeneraliny, ny mompera Alain Thierry Raharison fa tokony hisy ny rafi-pitsarana manokana hatsangana hitsara sy hikaroka ny marina rehetra momba iny raharaha iny.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 11 Febroary 2011
Politique.Zanak’i “Sud Est” Ailiky ny FAT tsikelikely

Miha mazava ny resaka ankehitriny. Ailiky ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) tsimoramora ao amin’ny fitondrana ireo zanaky ny Tatsimo Atsinanana mba nahazo toerana “ambonimbony”.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Febroary 2011
Politique.Fetison – Zafilahy – Pasitera Edouard Notsenaina toy ny maherifo

Nivantana avy hatrany tao amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka ireo mpitari-tolona telo mirahalahy (Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary Pasitera Edouard Tsarahame) raha vao nivoaka ny fonjan’Ambatolampy nitanana azy ireo nandritra ny telo volana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Febroary 2011
Politique.Nivoaka ny didy Afaka i Fetison, Zafilahy ary ny Pasitera Edouard

Telo volana taty aoriana dia navoaka ny fonja ihany i Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary ny Pasitera Edouard Tsarahame. Nivoaka omaly ny didy ka sazy mihantona no azon’izy ireo tamin’ny fiampangana telo samy hafa.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Febroary 2011
Politique.nahazo rariny i Guy Maxime Ralaiseheno

Omaly alarobia 09 febroary no niakatra tetsy anivon’ny tribonaly miady amin’ny fanjakana ny fitorian’ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato manoloana ny fampiatoana azy amin’ny asany mandritry ny iray volana mba ho fampiharana ny didim-pitondrana laharana faha-00507/2011 navoakan’ny ministeran’ny atitany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 10 Febroary 2011
Politique.Fanovana governemanta Ministra efatra no efa manary toky

Ny ministry ny fanatanjahantena, ny an’ny fitaterana, ny asa ary ny angovo no fantatra fa efa manary toky amin’izao fotoana izao mahakasika ny tsy maintsy hialan’izy ireo ao amin’ny governemanta.

Hamaky ny tohiny
FTT