Miha mazava ny resaka ankehitriny. Ailiky ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) tsimoramora ao amin’ny fitondrana ireo zanaky ny Tatsimo Atsinanana mba nahazo toerana “ambonimbony”.
Any am-ponja tsy afa-mihetsika intsony ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina. Anisan’ireo niady fo ary nivarotra aina tamin’ny fametrahana izao fitondran’i Andry Rajoelina izao ny tenany. Ny raharaha BANI, ambaran’ny FAT fa fikotrehana fanonganam-panjakana, no nisamborana ka nandefasana azy avy hatrany any Tsiafahy miaraka amina manamboninahitra 15 hafa. Raha ny vaovao farany heno mikasika an’ny kolonely Charles dia tsy azon’iza n’iza vangiana eny Tsiafahy izy, eny fa na ny iray tampo aminy aza tsy mahazo manopy maso azy akory.
Tsy misy mahalala izay zava-manjo ity manamboninahitra avy amin’ny andiany faha-19 ity, any am-ponja any noho ny fahefam-panjakana. Araka ny fantatra dia baiko midina avy amin-dRtoa ministry ny fitsarana no anton’io fandrarana io. Ny loharanom-baovao no milaza fa tsy levon’ny vavonin’ity mpikambana iray ao amin’ny governemanta FAT ity ny fikasan’ny kolonely Charles hitory azy tamin’ilay resaka tsy salama saina lazaina fa mahazo ity manamboninahitra ity tamin’ny nanaovany ampamoaka mikasika ny raharaha 2009, ka nanaovany vaky bantsilana fa fanonganam-panjakana tsotra izao no nitranga ary nisy volabe amina miliara nikararana tao anatin’izany.
Tsy vitan’izay fa nanondro olona sivily, mpanao politika ary miaramila nandray anjara tamin’izany koa ny tenany. Nataony an-tsoratra mihitsy izany ary nohamafisin’ny jeneraly Rakotonandrasana Noël, izay miara-mifonja aminy ao Tsiafahy. Vao omaly no ho omaly indray koa no nilatsaka ny didim-panjakana laharana 2011-079 manala amin’ny toerany ny ministry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Nelson William. Mbola Tatsimo Atsinanana koa ity farany ary mpitsara. Tsy nambara ny antony nanilihana teo anivon’ny governemanta ity zanak’i Vangaindrano ity. Malalaka noho izany ny tombana. Fa na inona na inona anefa lazaina fa antony, ny zava-misy dia namana akaiky ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina ity ministra ity ary azo antoka fa nisy fiantraikany taminy io. Efa lasibatra koa ny kaomisera Brunel Razafitsiandraofa, lehiben'ny PAF eny Ivato fa avotra tamin’ny ora farany.
Eo anatrehan’izao toe-javatra izao dia manomboka mampiaka-peo ireo Ampanjaka avy amin’iny Faritra iny ary re fa misy fikasan’izy ireo hiakatra eto an-drenivohitra mihitsy. Vao tsy ela koa no efa nisy fanambarana nataon’ny Tatsimo Atsinanana niainga avy etsy amin’ny La Rotonde mitaky ny hamoahana ny fonja ny zanak’izy ireo. Asa koa izay hitranga taorian’ity fanesorana an’i Nelson William ity. Izay lasa rahateo tsy misolo ao amin’ny governemantan’i Camille Vital. Ity farany no nandray ny asan’i Iharizaka Rahaigoson tao amin’ny ministeran’ny fifandraisan-davitra, ny paositra ary ny teknolojia vaovao. I Fienena Richard kosa no hampivady ny asan’ny ministry ny toekarena sy ny indostria amin’ny asam-panjakana ny asa ary ny lalàna manomboka izao. Asa anefa na ho “Jamais deux sans trois” izy ity …
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.