Omaly alarobia 09 febroary no niakatra tetsy anivon’ny tribonaly miady amin’ny fanjakana ny fitorian’ny Ben’ny tanànan’Ankaraobato manoloana ny fampiatoana azy amin’ny asany mandritry ny iray volana mba ho fampiharana ny didim-pitondrana laharana faha-00507/2011 navoakan’ny ministeran’ny atitany.
Tsy nahazo rariny izy satria notsipahin’ny fitsarana ny fitoriana napetrany. Midika izany fa nandresy indray ny FAT raha ny momba ity raharaha ity. Tsy maintsy hiato amin’ny asany izany i Guy Maxime Ralaiseheno ary ny tenany rahateo dia nanambara omaly fa rehefa izay ny didy nivoaka dia tsy maintsy arahina. Na izany aza anefa dia mbola hita ihany fa maro loatra ny tsy manaraka ny tokony ho izy momba ity fampiatoana amin’ny asany ny olom-boafidy ity. Raha ny marina mantsy dia tsy ny ministera velively no afaka manala avy hatrany amin’ny asany ny olona nofidian’ny vahoaka. Niainga tao amin’ny ministera anefa ny fampiatoana rehefa nolazaina fa mety hisy akony amin’ny filaminana eto amin’ny firenena ny fanekena an’i Guy Maxime hiverina amin’ny asany. Io farany indray dia nahita fa tsy mifandraika amin’izany akory ny lalàna nentina nampiatoana azy.
Lalàna mahakasika ny fanodinkodinam-bolam-panjakana no nampiharina kanefa tsy nisy taratra an’izany akory tao amin’ny Kaominina Ankaraobato ary tsy nisy fitoriana mahakasika an’izany rahateo koa. Manampy izay dia nolazaina fa efa niala taminy tanteraka ny zo maha-olom-pirenena azy satria efa nomelohina sy efa nofonjaina izy. I Guy Maxime anefa dia nilaza fa mbola eny anivon’ny fitsarana ambony ny raharaha, hany ka miato avokoa izay mety ho fiampangana azy. Mifamahofaho be ihany ny raharaha saingy ny mazava aloha dia tsy afa-maina mihitsy izay miseho manohitra amin’izao fotoana. Hita hatrany izay mety hanenjehana azy…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.