Ny ministry ny fanatanjahantena, ny an’ny fitaterana, ny asa ary ny angovo no fantatra fa efa manary toky amin’izao fotoana izao mahakasika ny tsy maintsy hialan’izy ireo ao amin’ny governemanta.
Ilay voalohany dia fantatra fa toerana omena voalohany ny ankolafy telo. Ny fanatanjahantena mantsy no toerana tsy mba niadian’ny FAT mihitsy. Ny an’ny fitaterana indray dia fantatra fa tato anatin’ny andro vitsy izay dia misesy ny filazana ny amin’ny tsy ahafahan’i Rolland Ranjatoelina mitantana ny ministerany intsony. Noho ny antony tsy fantatra loatra io, araka ny loharanom-baovao. Tombanana fa mety ho noho ny olana tao amin’ny ACM ka nitarika tamin’ny fanalana ny Tale jeneraliny no antony. Noho ny fitantanana tsy nahomby no heverin’ny FAT fa nahatonga izany.
Ny an’ny ministry ny asa ihany koa dia mitovitovy amin’izay ihany saingy baraingo tanteraka ny antony. Ny Sekretera jeneralin’ity ministera ity aza no toa efa mitondra ny baolina mandra-piandry ny fanendrena vaovao. Mitsingevaeva, araka izany, ny sezan’ireo ministra roa ireo. Ny an’ny ministeran’ny Angovo indray dia fantatra fa ankoatra ity ministera ity tsy maintsy omena ny ankolafy telo dia anisan’ny naharatsy toerana an’ingahy Ramanantsoa Rodolphe ny filazany an-gazety ny alatsinainy teo fa tsy ho tana ny fiakaran’ny vidin-jiro. Toa nahatezitra ny teny Ambohitsorohitra io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.