Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitra taorian’ny nahatsiarovana ny faharoa taonan’ny 7 febroary. Ho an’ny fikambanana katolika «Justice et Paix», ohatra, dia nambaran’ny Sekretera jeneraliny, ny mompera Alain Thierry Raharison fa tokony hisy ny rafi-pitsarana manokana hatsangana hitsara sy hikaroka ny marina rehetra momba iny raharaha iny.
Be loatra mantsy ny adihevitra amin’ilay izy, ary samy milaza ho manana ny marina ny andaniny sy ny ankilany. Tsy tokony hijanona amin’izay ihany anefa ny asan’io rafi-pitsarana manokana io, araka ny hevitry ny «Justice et Paix», fa hanadihady sy hitsara ihany koa ireo savorovoro nahafatesana sy naharatrana olona nandritra ireo fihetseham-bahoaka maro nifandimby teto, nanomboka tamin’ny 13 may 1972, nandalo tamin’ny raharaha Ratsimandrava, ny 10 aogositra 1991, ny raharaha 2001 sy 2002 ary ireo savorovoro hafa nitranga nanomboka tamin’ny 2009. Fa mialoha ny hanatanterahana izany dia tokony hiaiky ny rehetra, hoy ny mompera Alain Thierry Raharison fa heloka sy fahotana ny famonoan’olona.
Tsy tokony ho voafandriky ny fiandrasana ny fananganana ilay Haute Cour Justice isika, hoy ihany izy satria mety mbola ela ny fanatanterahana izany, ary ho sarotra ny famariparitana ny lalàna momba izany. «Nahoana moa no tsaraina ary helohin’ny fitsarana avy hatrany ny olon-tsotra raha mandratra na mamono na nampamono ka nahafaty olona fa ny mpanao politika kosa dia hoe tsy maintsy miandry fitsarana manokana, na omena famotsoran-keloka tsotra izao ka afaka madiodio. Tsy tokony atao mitanila tahaka izany ilay izy, fa asiana fomba fifampitondrana matotra sy mazava ka rehefa mandika lalàna dia tokony hiharan’ny sazy avokoa na iza na iza», hoy ny mompera alain Thierry Raharison.
Raha fintinina ny resaka dia mitaky ny hanafainganana ny fitsarana ireo nosokajiana ho «Grands Dossiers» ny «Justice et Paix» mba hipoiran’ny marina rehetra ka hampisinda ny ahiahy tsy hihavanana mikiky ny fiarahamonina Malagasy tato anatin’ny 4O taona izao. Ankoatr’izay dia mieritreritra ihany koa ny fikambanana «Justice et Paix» fa tokony hatao mitovy lenta ny fahatsiarovana ireo daty manan-tantara rehetra teto amin’ny firenena nahitana taratra ny tolom-bahoaka ka nisiana fihetsehana nitarika faharatrana sy fahafatesana satria vavolombelon’ny tantara ireny ary samy nanana ny anjara toerana tsy azo kosehana teo amin’ny fanovana nitranga teto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.