Nivantana avy hatrany tao amin’ny Kianjan’ny Magro Behoririka ireo mpitari-tolona telo mirahalahy (Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary Pasitera Edouard Tsarahame) raha vao nivoaka ny fonjan’Ambatolampy nitanana azy ireo nandritra ny telo volana.
Fiarakodia ampolony maro no nitanjozotra nitsena azy ireo tany Ambatolampy ka nanatitra hatrao amin’ity kianja malazan’ny ara-dalàna ity. Notsenaina toy ireny manamboninahitra mitsidika tanàna ireny izy ireo. I Manoela, izay efa nisedra fonja koa noho ny foto-kevitra nijoroany, no nandray fitenenana niarahaba azy ireo tonga soa eny an-kianja indray ary nanolotra ny hiran-dRija Rasolondraibe (mbola hotsaraina) ho fampieritreretana ny zava-misy, indrindra ho an’ny mpitondra FAT manontolo. Fisaorana an’Andriamanitra mazava loatra no nanombohan’ny Pasitera Edouard ny teniny taorian’ny «ô ! i ! ô» hiakam-pitolomana nahazatra azy. «Tokony ho sabotsy vao ho avy eto izahay saingy tsy mandry ny saina», hoy izy, izay nanohy fa «be dia be ny zava-nitranga. Tonga foana ianareo, nafenina tsy ho hitan’izao tontolo izahay fa notadiavinareo. Ho an’izay tsy faly amin’izao fivoahanay izao dia tsarovy fa tanindrazana iombonana i Madagasikara».
Fiarahabana nahatratra ny taona 2011 kosa no nanombohan’ny Depiote Zafilahy Stanislas ny teniny taorian’ny ilay hira hoe “Le Marija”, fiventiny tao amin’ity kianja ity. “Tsy nigadra izahay fa namita iraka”, hoy i Zafilahy. “Matoa nentina nitety an’i Madagasikara dia mila anay izany i Madagasikara ka hanavotra an’i Madagasikara izahay. Koa aza matahotra, minoa fotsiny ihany», hoy izy. Niantso izay mahatsiaro voan’ny tsindry hazolena ny tenany ho tonga ao amin’ity kianja ity fa «hovitaina tsy ho ela izy ity», hoy izy izay nanome toky fa “tsy hivadika mihitsy na oviana na oviana”. “Asa fa tsy kabary no atao ankehitriny”, hoy kosa ny tenin’Atoa Fetison Rakoto Andrianirina taorian’ny teny fisaorana nataony.
Zavatra telo niavaka tsara no nambarany dia voalohany : “ho an’ny voafonja nianjadian’ny tsy rariny : hieritreritra valifaty ve sy famindram-po ? Isika teto te hampiseho sy hampianatra ireo mpitondra fa nitory fihavanana. Raha ampisafidianana izahay dia ny fifamelana no safidiana satria iray ihany ny Malagasy. Faharoa, tany am-ponja izahay nitsangana ianareo, nitaky hatrany ny fivoahanay. Zava-dehibe izany fa nakana lesona tao anatin’izay telo volana izay. Takiana ny famoahana ireo gadra politika rehetra mbola any am-ponja. Fahatelo, mbola ao anaty krizy politika tanteraka isika. Fantatray fa mijaly ianareo. Tsy mbola misy ny fankatoavana iraisam-pirenena ahazoana ny famatsiam-bola hoentina manasoa ny vahoaka. Noho izany hoezahina ny fitadiavana vahaolana haingana dia atao izay ahitana marimaritra iraisana fa izay no tadiavina tsy ahatonga antsika ho lasa anaty fahaverezana eto”. Nisaotra manokana an’ny Me Razafimanantsoa Hanitra sy ireo namany ity mpitari-tolona ity. Azo antoka, hitohy ary hihamafy manomboka eto ny tolona eny amin’ity Kianjan’i Magro Behoririka ity.
SARY : Feno tsiky hatrany ireo mpitari-tolona 3 lahy tetsy Behoririka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.