Politique

Nivoaka ny didy Afaka i Fetison, Zafilahy ary ny Pasitera Edouard


  • Alakamisy 10 Febroary 2011

Telo volana taty aoriana dia navoaka ny fonja ihany i Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas ary ny Pasitera Edouard Tsarahame. Nivoaka omaly ny didy ka sazy mihantona no azon’izy ireo tamin’ny fiampangana telo samy hafa.

Ny an’i Fetison no nitombo kely tamin’ireo namany roa. Mahakasika ilay fiampangana voalohany (tsy fanekena ny hiparitaka na dia teo aza ny fampitandreman’ny mpitandro ny filaminana) dia 13 volana sazy mihantona no azon’i Fetison raha 10 volana sazy mihantona avy no azon’i Zafilahy sy ny Pasitera Edouard. Mahakasika ny fiampangana faharoa (fikasihan-tanana izay niteraka fandratrana) indray dia samy nahazo sazy mihantona enim-bolana avy izy telo mirahalahy. Farany, mahakasika ny fiampangana fahatelo (famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana) dia enim-bolana tsirairay avy ihany koa, sazy mihantona hatrany, no azon’ireto mpitari-tolon’ny Ankolafy Telo ireto. Tsy nahafa-po ny voampanga ny valim-pitsarana, ary fantatra fa hampakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ambony izy ireo. Na izany aza, nihorakoraka ny olona, saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia horakora-pifaliana, teo am-pandrenesana ny didim-pitsarana nivoaka.

Omaly mantsy dia mbola nifamahofaho be ihany ny tombantomban’ny tsirairay satria tsy mbola hita taratara tsara ny mety hanomezan’ny fitsarana fahafahana ho azy telo lahy. Na ny horonantsary izay niaingan’ny fitorian’ny mpitandro ny filaminana aza tsy navela nojerena ny talata teo mba hiadian-kevitra. Amin’ny fijery politika dia hita fa mba nisy fandeferana ihany avy amin’ny fitsarana mahakasika ireto mpitari-tolona ireto. Tsy afaka nanoatra firy rahateo satria anisan’ny fepetra napetraky ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny mba hisian’ny fifandeferana sy ny famoahana ireo gadra politika. Tsy afaka ny nandika ny sori-dalan’ny Dr. Simao izay nindraindraina sy nireharehana fatratra kanefa voasoritra ao ny famoahana ireo olona izay nogadraina noho ny antony politika. Midika izany fa efa azo eritreretina ihany koa ny famoahana ireo voafonja politika hafa…

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT