• Alarobia 22 Jona 2011
Politique.Fanapahan’ny SADC Novain’ny Dr Salomao

Nahoraka teto an-drenivohitra ny vaovao omaly fa nandefa taratasy any amin’ireo filohan’ny ankolafy politika isany, ny sekretarian’ny SADC, milaza ny fanovana hatao amin’ilay sori-dalana vita rangopohy teny Ivato.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Jona 2011
Politique.Vondron’ny Ampanjaka Tsy any amin’ny FAT na SADC ny vahaolana

«Tsy vahaolana avy amin’ny SADC na ny FAT no hamoaka an’i Madagasikara amin’izao krizy sy fahantrana izao. Mila mametraka rafi-piarahamonina vaovao mifototra amin’ny fanajana an’Andriamanitra, ny soatoavina, ny zon’olombelona, ny fahalalana fototra isika», hoy i Ndriana Rabarihoela avy amin’ny vondron’ireo Ampanjaka.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Jona 2011
Politique.Arema Vaovao Benjamin Nahazo tso-drano avy amin’ny Amiraly

Araka ny tatitra nataon’ny Arema Vaovao Benjamin tetsy amin’ny Motel Anosy dia nahazo tso-drano tamin’ny Amiraly Didier Ratsiraka izy ireo tany Gaborone.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Jona 2011
Politique.Fivoahana amin’ny krizy “Andry Rajoelina no tena sakana”, hoy ny GTT International

Manoloana ny zava-misy eto Madagasikara dia nanoratra taratasy misokatra ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny GTT International manana ny foibeny ao Genève.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Jona 2011
Politique.Nahoana hoy ianareo ?

Nahoana hoy ianareo rey olona no mitobaka tahaka ny mana avy an-danitra ny fanomezana ho an’ny tafika tato ho ato. Tamin’ny voalohany aloha dia efa nisy fifampivoriana tamin’ny lohandohany tao Ambohitsorohitra, nialoha ny nanaovana ireny fanambarana teny amin’ny Toby Ratsimandrava ireny. Betsaka no naminavina fa nisy fifanarahana lehibe tao.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 22 Jona 2011
Politique.Pierrot Rajaonarivelo Sady mamita iraka no manoman-tena amin’ny fifidianana

Mitsidika distrika vitsivitsy amin’iny Faritanin’i Toamasina teo aloha iny manazava ny fipetraky ny raharaham-pirenena ankapobeny sy ilay sori-dalana vita rangopohy teny Ivato ary ny resaka fanomanana fifidianana izay nambara fa hirosoan’ny FAT ary ny fandaminana ny raharaha politika Malagasy izay tsy mitsaha-mikorosy fahana, ny minisi-panjakana Pierrot Rajaonarivelo.

Hamaky ny tohiny
FTT