Politique

Arema Vaovao Benjamin Nahazo tso-drano avy amin’ny Amiraly


  • Alarobia 22 Jona 2011

Araka ny tatitra nataon’ny Arema Vaovao Benjamin tetsy amin’ny Motel Anosy dia nahazo tso-drano tamin’ny Amiraly Didier Ratsiraka izy ireo tany Gaborone.

 Nisy mpikambana ao amin’ity antoko ity, araka ny voalaza, no nifampiresaka nivantana tamin’i Deba, ka nampitainy io tso-drano io. Nahasarika ny sain’ny maro ihany koa ny filazan’i Vaovao Benjamin fa tsy miditra amin’ny fanambarana nataon’ny miaramila farany teo izy ireo kanefa rariny, hoy izy raha niloa-bava sy namoaka feo ireto miaramila ireto. Ankoatra izay dia nanamafy koa izy fa tokony hosarahana ny fampodiana ny filoha roalahy teo aloha. Samy hafa, hoy izy, ny fepetra hahafahan’izy ireo miverina eto an-tanindrazana. Mikasika ilay fanambaran’ny SADC farany tany Sandton teo kosa, dia nilaza ry Vaovao Benjamin fa tokony ho telo volana mialoha ny fifidianana farafahabetsany no mametra-pialana ny filohan’ny FAT. Eo amin’ny fanatanterahana ilay tondrozotra dia nitaky mazava ny tokony hampitoviana ny zon’ireo mpandray anjara rehetra amin’ny fametrahana sy fandrindrana ny olona tokony hitantana ny tetezamita izy ireo.  Hatreto izany aloha dia tsy mbola fantatra mazava namahasolo tena ny Amiraly tokoa ity Arema ity na tsia. Nanambara mantsy izy ireo fa tsy tokony hafangaro ny ankolafy sy ny antoko. Ity farany izay nambara fa efa nanofana olona maro harotsaka amin’ireo fifidianana maro hisesy eto.

 

Manohy

 

SARY : Vaovao Benjamin nitarika ny delegasion’ny Arema tany Gaborone

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT