Politique

Vondron’ny Ampanjaka Tsy any amin’ny FAT na SADC ny vahaolana


  • Alarobia 22 Jona 2011

«Tsy vahaolana avy amin’ny SADC na ny FAT no hamoaka an’i Madagasikara amin’izao krizy sy fahantrana izao. Mila mametraka rafi-piarahamonina vaovao mifototra amin’ny fanajana an’Andriamanitra, ny soatoavina, ny zon’olombelona, ny fahalalana fototra isika», hoy i Ndriana Rabarihoela avy amin’ny vondron’ireo Ampanjaka.

 Araka ny fanazavany dia lalana hafa mihitsy no tian’Andriamanitra hitondrana antsika, hialan’ny firenena amin’izao ozona izao. Mila mitodika amin’i Jehovah, hoy ihany Rabarihoela. Ankoatra ny fanajana an’Andriamanitra dia mila manaja ny hasin’ny tanindrazana, ny firaisankina, ny fahamarinana ary ny fiandrianam-pirenena. Araka izany dia fanjakan’Andriamanitra vaovao, lalàmpanorenana vaovao no takiana hapetraka. Ambarany fa tsy nampandroso fa vao mainka aza nampahantra ny rafitra repoblikanina laika. Rehefa tafajoro ny rafi-pitantanana vaovao, raha ny fanazavana dia hisy fiantraikany amin’ny toekarena. Ao anatin’ny herintaona monja, hoy izy dia hisy fiovana ny fihariana satria hiainga amin’ny fanangonana volamena. Afaka herintaona, raha ny fanazavana dia hitovy lanja amin’ny vola dolara na euro iray ny Ariary rehefa nangonina ny volamena. Hisy fanovana koa ny vola ka hatsangana ny banky nasionaly vaovao. Nambarany moa fa efa vita ny fanadihadiana hahatomombana izany rehetra izany. Voalaza fa manodidina ny iray hetsy miliara dolara ny sandan’ny harena ankibon’ny tany eto amintsika ka azo trandrahina tsara izany. Vokany, tsy hahantra intsony ny Malagasy satria higoka amin’ny hareny i Madagasikara.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT