Nahoraka teto an-drenivohitra ny vaovao omaly fa nandefa taratasy any amin’ireo filohan’ny ankolafy politika isany, ny sekretarian’ny SADC, milaza ny fanovana hatao amin’ilay sori-dalana vita rangopohy teny Ivato.
Amin’ny teny frantsay, ary misy pejy roa io taratasy io, nosoniavin’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC, Dr Tomaz Augusto Salomao, tamin’ny 17 jona 2011. Teo amin’ny endriny dia efa tsinjo fa peta-toko ny zavatra nataon’ity teratany mozambikanina ity. Tsy mitovy ny tarehin-tsoratra ao anatiny, izay ahatsapana fa lahatsoratra nobatabataina tamin-javatra efa nisy (copier-coller) no narafidrafiny. Rehefa nodinihina ny votoatiny vao tena tsapa fa zava-doza sy mamoafady no vitany, satria dia nanova tanteraka, tsy ankiera, ny fanapahan-kevitr’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC nivory tatsy Sandton Afrika Atsimo ny 12 jona 2011. Nanapa-kevitra ireo filoham-pirenena 14 nivory tao Sandton fa miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra ireo sesitany politika rehetra, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana. Tao anatin’ilay taratasy nosoratany anefa ingahy Tomaz Salomao dia milaza fa tsy afaka miverina an-tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana raha tsy milamina ny tontolo politika eto. Rehefa notomorina dia ny andininy faha-20 tao amin’ilay sori-dalana nataon’ireo vondrona politika miisa valo, rangopohy teny Ivato ny 09 martsa 2011, no namboamboarin’ny Dr Tomaz Salomao. Miharihary eto fa dia zavatra diso no navoakany ary fantatra izao fa miteraka savorovoro eo anivon’ny SADC ary mampikorontan-tsaina ny Malagasy maro teto an-toerana.
Hifampitady
Ny zavatra tsy azo adinoina ao anatin’ity fandaminana ny krizy eto Madagasikara izy, dia voalohany : iraka fotsiny ihany i Joaquim Chissano sy Dr Leonardo Simao ary tsy ny iraka akory no tompon’ny teny farany fa ny mpaniraka, izany hoe ireo Filoham-pirenena 14 ao anatin’ny SADC. Koa ny zavatra navoakan’ny mpaniraka tany Sandton no izy fa ny ankoatr’izay dia fandrebirebena. Rariny raha manao fanitsiana ilay sori-dalana ny mpaniraka. Filoham-pirenena voafidy ireo ary aza adinoina fa misy amin’ireo Filoham-pirenena ireo no niaina izany sesitany politika izany, toy ny filoha Afrikanina tatsimo Jacob Zuma izay mpikambana ao amin’ny ANC, ny Filoha Namibianina sady filoha am-perinasan’ny SADC, Hifikepunye Lucas Pohamba, izay mpikambana ao amin’ny SWAPO tao Namibia, toy izany koa ny an’i Zimbabwe izay Rodhésie fahiny nanjakan’ny fotsy hoditra... Nahita ny mangirifiry ireny olona ireny amin’izany atao hoe sesitany izany ka tsy manaiky ny hisiany intsony aty amin’ny firenena atsimo atsinanan’i Afrika. Faharoa : ny Dr Tomaz Augusto Salomao, Sekretera mpanatanteraky ny SADC, dia mpiasa birao ao Gaborone misy ny foiben-toeran’ny SADC, ka tsy anjarany ny manova izay tapak’ireo Filoham-pirenena fa mpanatanteraka izy ary tsy afaka manova ny fanapahan-kevitra tao Sandton, mikasika an’i Madagasikara. Misy mitady hamilivily resaka mantsy ary mieritreritra fa toko telo mahamasa-nahandro i Chissano-Simao-Salomao, izay samy teratany mozambikanina.
Tsy vao voalohany ireo no mamitapitaka tato anatin’izao fandaminana ny krizy izao. Araka ny fantatra dia niantso an’i Joaquim Chissano Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny herinandro lasa fa tsy mbola nanome ny andinindiny mikasika ny fanitsiana ilay sori-dalana ity lehiben’ny mpanelanelana ity na dia efa nisy ambangovangony fantatra aza tany
Mety hojerena koa io mandritry ny fivorian’ireo minisitry ny raharaham-bahiny eo anivon’ny SADC, izay hatao any
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.