Politique

Pierrot Rajaonarivelo Sady mamita iraka no manoman-tena amin’ny fifidianana


  • Alarobia 22 Jona 2011

Mitsidika distrika vitsivitsy amin’iny Faritanin’i Toamasina teo aloha iny manazava ny fipetraky ny raharaham-pirenena ankapobeny sy ilay sori-dalana vita rangopohy teny Ivato ary ny resaka fanomanana fifidianana izay nambara fa hirosoan’ny FAT ary ny fandaminana ny raharaha politika Malagasy izay tsy mitsaha-mikorosy fahana, ny minisi-panjakana Pierrot Rajaonarivelo.

 Tao Fenoarivo Atsinanana izy ny alatsinainy ary nitohy tao Toamasina indray omaly talata tolakandro. Nampahafantarin’Atoa Pierrot Rajaonarivelo fa andalana efatra no tena tsy levon’ny vavonin’ny FAT, tao anatin’ilay fehin-kevitry ny SADC tany Sandton farany teo, dia ny fanitsiana ny tondrozotra vita rangopohy teny Ivato, ny tsy hanaovan’ireo Ankolafy telo rangopohy raha tsy vita ny fanitsiana, ny famerenana ireo Malagasy niala an-tanindrazana noho ny politika, anisan’izany Atoa Marc Ravalomanana ary ny filazana ny hamoahana lalàna mamela ireo mpanao politika rehetra afaka hilatsaka hofidiana. Nolazainy mihitsy fa nampivarahontsana ny governemanta sy ny FAT mihitsy ity zavatra nataon’ny Sadc ity. Vokatr’izay dia tapa-kevitra fa “hiroso amin’ny fifidianana ny FAT”, hoy hatrany i Tonton Sôla ka izay no antony hananganana isam-paritra rafitra entina hanampiana ny CENI, io rahateo koa no votoatin’ny iraka nampanaovin’ny filohan’ny FAT ireo minisitra mitety faritra amin’izao fotoana. Nisy hatrany ny fihaonan’i Pierrot Rajaonarivelo tamin’ireo mpikambana MDM tamin’ireo toerana nalehany.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT