Politique

Fivoahana amin’ny krizy “Andry Rajoelina no tena sakana”, hoy ny GTT International


  • Alarobia 22 Jona 2011

Manoloana ny zava-misy eto Madagasikara dia nanoratra taratasy misokatra ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny GTT International manana ny foibeny ao Genčve.

 Anisan’ny voarakitra ao anatin’ilay taratasy izay hanangonana sonia, ny fisaorana ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny sy ny Sadc manokana tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny tao Sandton, Afrika Atsimo. Etsy ankilan’izany anefa dia mihantsy ny fianakaviambe iraisam-pirenena i Andry Rajoelina raha ny fanambarana nataony tato ho ato. Ao anatin’izany, ohatra, ny fandavany tsy hanaiky hampihatra izay tapaka tao Sandton iny sy ny fiverenan’ny filoha lanim-bahoaka Marc Ravalomanana an-tanindrazana tsy misy fepetra, ny tsy fankasitrahany ilay tondrozotra nasiam-panitsiana ary ny fiziriziriany hanao fifidianana na eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena na tsia. Manoloana izany indrindra àry dia miantso ity farany ny GTT International mba hisy zavatra mivaingana hatao raha tsy manaiky hampihatra ny fanapahan-kevitra ny FAT satria araka ny fanazavana dia i Andry Rajoelina no tena sakana amin’ny fitadiavam-bahaolana tenierana sy iraisan’ny rehetra. Mitaky amin’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina ny GTT International mba handray fepetra hentitra toy ny nataon’ny Parlemanta Eoropeanina. Takiany, araka izany, ny hampiasan’ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina ny fomba rehetra, eny hatramin’ny hery aza, mba hampanekena an-dRajoelina hampihatra izay tapaka tao Sandton. Miangavy ny fidirana an-tsehatry ny borigady misahana ny filaminana sy ny fandriampahaleman’ny SADC koa ny GTT International mba hanampy amin’ny dingana hamoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy manomboka amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny ain’ny filoha Ravalomanana rehefa hody an-tanindrazana ny tenany mandra-pahatongan’ny fifidianana. Mangataka ihany koa ny amin’ny tokony hanerena ny FAT hamotsotra ireo gadra politika rehetra ny GTT International sy ny fampiharana ny fanamafisana ny sazy ho an’ireo mpanongam-panjakana, araka izay voalazan’ny Parlemanta Eoropeanina.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT