Nahoana hoy ianareo rey olona no mitobaka tahaka ny mana avy an-danitra ny fanomezana ho an’ny tafika tato ho ato. Tamin’ny voalohany aloha dia efa nisy fifampivoriana tamin’ny lohandohany tao Ambohitsorohitra, nialoha ny nanaovana ireny fanambarana teny amin’ny Toby Ratsimandrava ireny. Betsaka no naminavina fa nisy fifanarahana lehibe tao.
Taorian’izay indray dia indro ry Reny malala sy ny namany fa nanome 9 miliara ariary ho an’ny tafika Malagasy, ary dia nabaribary be naseho fahitalavitra izany. Tsy miafina intsony ny fitongilanana satria dia ny iraisam-pirenena no miteny fa tsy manaiky ny fitondrana eto amintsika, ry reny malala nefa mbola misisika ihany, sa nasisika ? Inona no tena hevitr’izy ireny ? Ahoana ny fomba nizarana azy ? Ary fifanandrifiana ve sa fanahy iniana no nanaovana izany taorian’ny fanambaran’ny SADEKY ? Fa nahoana raha mba ny solika no omena fanampiana mba ho ny mpiray tanindrazana rehetra no mahazo soa ? Na ny karaman’ny mpiasam-panjakana rehetra. Asa aloha fa dia tsy tapitra akory ny herinandro dia miala any indray ny fiara 4x4 ho an’ny tafika avy any amin’ingahy Rajoelina. Dia ho azo eritreretina ve izany fitondrana tsy mijery afa tsy ny be sandry izany ? Dia ahoana ny Malagasy sasany ?
Vao haingana nefa no nomena bôty sy akanjo ry zalahy ireo. Dia midika ve izany fa izy ireo ihany no miasa ka mila fitaovana vaovao amin’ny asany ? Dia ahoana izany ny fitaovam-pianarana, ny fitaom-pahasalamana, ny fitaovana entin’ny mpiasam-panjakana miasa isan’andro tsy ankiato io ? Mbola tsara ve ny an-dry zareo ireny sa odian-tsy hita fotsiny ihany fa tsy dia ilaina ry zareo ?
Ary isika vahoaka indray ahoana ? Tena sahirana isika rehetra izao. Porofon’izany : mitombo be dia be ny mpivarotra enta-madinika, mitombo koa ny mpatory eny amin’ny ARCADE sy ny manodidina raha efa nihena tsy nisy izany teo aloha. Ny mpangataka moa dia manginy fotsiny. Fa ny tena loza dia ny halatra sy ny vaky trano izay mihoapampana tato ho ato, midika izany fa mihena ny isan’ny olona miasa dia lasa mamorona asa ny tsirairay na lasa mangalatra. Dia ho mandra-pahoviana izany hoy isika mianakavy ?
Tia Tanindrazana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.