• Alakamisy 29 Desambra 2011
Politique.Ankolafy Ravalomanana Ho eny Mahazoarivo

Ireo rehetra nandaha-teny teny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka omaly dia samy nanitrikitrika fa mila miala i Andry Rajoelina ary miverina eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 29 Desambra 2011
Politique.Manandafy Rakotonirina «Ny maha fanjakana ny fanjakana no voahozongozona»

«Dingana lehibe sady sarotra no misy antsika amin’izao fotoana izao. Mifanolana amin’izao isika miteny izao ny mpitsara, ny polisy, ny zandary. Ny filaminan’ny tany sy ny fanjakana amin’ny maha fanjakana azy mihitsy no voahozongozona”, hoy i Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny MFM nanoloana ireo mpiray antoko teny Ambohimanga Rova, nandritry ny fanamarihana ny faha-39 taonan’ny antoko MFM ny talata 27 desambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 29 Desambra 2011
Politique.CST sy CT ankolafy Ravalomanana Tokony hisaotra an’i Andry Rajoelina ?

Tsy voahaja ny toromariky ny fitoniana ara-politika na ny «trève politique» ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona raha ny zava-misy teny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka no asian-teny.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 29 Desambra 2011
Politique.Karaman’ny CT sy CST Hiteraka olana hafa indray, hoy Ralison Roger

Nihena hatrany amin’ny antsasaky ny fandrain-dry zareo CT teo aloha ny karaman’ny CT am-perinasa raha ny fanazavana azo satria lasa 1.120.000 ariary mahery kely any izany ankehitriny raha nahatratra 2.600.000 ariary teo aloha.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 29 Desambra 2011
Politique.Union des Associations Zanak’i Dada “Hihamafy ny tolona”, hoy Ranaivorazo Feno

Tsy miala amin’ny fenitra hotratrarina hatramin’izay ny “Union des Associations Zanak’i Dada”, hoy Atoa Ranaivorazo Feno, dia ny tolona hamerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ary hampandany azy amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy ary koa mbola hiaro ny fitondrana izay tantanany rehefa tonga ny fotoana hiverenany eo amin’izany fitondrana ny firenena izany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 28 Desambra 2011
Politique.Ady amin’ny tsindrihazolena Tsy hanaiky lembenana ny HAFARI

Miatrika fiofanana mandritra ny 4 andro eny amin’ny foiben-toerany eny Anosizato nanomboka omaly talata 27 desambra ny firohotana HAFARI ahitana olona miisa 70 (Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano sy Avaradrano).

Hamaky ny tohiny
FTT