Politique

Ady amin’ny tsindrihazolena Tsy hanaiky lembenana ny HAFARI


  • Alarobia 28 Desambra 2011

Miatrika fiofanana mandritra ny 4 andro eny amin’ny foiben-toerany eny Anosizato nanomboka omaly talata 27 desambra ny firohotana HAFARI ahitana olona miisa 70 (Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano sy Avaradrano).

Anisan’izany ireo filohana fikambanana 42 miady amin’ny tsy fanajana ny zon’olombelona. Mpisolovava, mpandrindra fiarahamonina sy inspektera ary mpampiofana ny ho mpampiofana no mpitarika, ampian’ireo mpandala ny maha Malagasy. Ny resaka fahaiza-miainga no lesona voalohany nampitaina tamin’ireo mpiofana narahin’ny fomba fandraisana an-tanana ny olona tratry ny tsindrihazolena sy ny herisetra dia notohizina tamin’ny serasera an-gazety sy ara-piarahamonina ary nofaranana tamin’ny fampahafantarana ny fomba tsy mendrika fanaon’ny mpanao politika malagasy. Anio alarobia dia hiditra amin’ny resaka ady tany sy ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy firenena no homena ireto mpiofana ireto ka hotondroina mazava ao anatin’izany ny asan’ny polisy, zandary, miaramila, sefom-pokontany sy ny mpitsara.

Eo koa ny fampahafantarana ny zo aman’andraikitra tsy azo dikaina sy ny resaka fanaparam-pahefana miseho amin’ny endriny rehetra. Ny tanjona, hoy ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny HAFARI, dia ny hananan’ny mpikambana rehetra fahasahiana hiteny sy tsy hanaiky intsony ny fanaparam-pahefana sy tsindrihazolena sy tsy fijerena sosialim-bahoaka amin’io taona vaovao 2012 io. Marihina fa latsakemboka ataon’ny mpikambana tsirairay no ahafahana miatrika ity fampiofanana ity fa tsy misy mpamatsy vola avy any ivelany.

Manohy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT