«Dingana lehibe sady sarotra no misy antsika amin’izao fotoana izao. Mifanolana amin’izao isika miteny izao ny mpitsara, ny polisy, ny zandary. Ny filaminan’ny tany sy ny fanjakana amin’ny maha fanjakana azy mihitsy no voahozongozona”, hoy i Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny MFM nanoloana ireo mpiray antoko teny Ambohimanga Rova, nandritry ny fanamarihana ny faha-39 taonan’ny antoko MFM ny talata 27 desambra lasa teo.
Nambarany fa efa niainana ny karazana korontana toy izao tamin’ny taona 1974-1975. Raha ny fahitan’ity raimandreny ara-politika ny zava-misy eto amin’ny firenena dia zavatra tsy hampoizina no mety hitranga ary tsy fantatra mihitsy izay hipoahan’ny raharaha satria raha ny eny Antanimora, ahitana ny polisy rehetra dia ambenana fatratra, hoy izy. Notsiahivin’i Manandafy Rakotonirina nandritry ny fihaonany tamin’ireo mpiara-dia taminy teny Ambohimanga ihany koa ny antony nananganana ny MFM tamin’ny fotoanandrony dia ny ady tamin’ny sekoly miangatra. Anisan’ny nitarika ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1972 i Manandafy Rakotonirina. Araka ny fanazavany dia izy ireo no namoaka ny olon’ny Monima tany an-tsesitany sy tany an-tranomaizina, namoaka ireo PSD tany an-tranomaizina ihany koa. Anisan’ny antony nanonganana ny filoha Philibert Tsiranana koa tamin’izany, hoy ihany i Manandafy nitantara ny nananganana ny CEG namoaka ankizy nanana Bepc kanefa tsy fantatra sy tsy hita izay hanohizan’ireo ankizy ireo ny fianarany. “Ireo olona toa an-dRavalomanana, Andry Rajoelina na dia mpanongam-panjakana aza, ireo CT sy CST ireo dia nateraky ny 72 avokoa. Manana bakalorea ny ankamaroany, ireo no mirongatra mametraka sata vaovao hitondrana ny firenena”, hoy ihany i Manandafy.
Nosoritany fa nandia ny fianarana ambaratonga voalohany ny tenany, avy eo lasa mpiasam-panjakana dia nanao politika. Anisan’ny nataony voalohany ny naka ny toerana sy ny fananan’ny Frantsay. “Ny vanim-potoana iainantsika izao dia vanim-potoana isondrotan’ireo CT sy CST. Tsy mbola fantatra izay hataon’ny zanak’izy ireo. Ny olona miaraka amintsika efa miova. Ohatra eo amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany dia ny Kanadianina, ny Amerikanina no tena manao azy. Eo koa ny Sinoa ary dia hiditra koa ny Karana. Ny teny frantsay sisa no iarahantsika amin’ny Frantsay. Raha fihariana dia tsy miaraka aminy intsony isika. Nanahirana ny Frantsay ny isian’ny fifandraisana eo amin’i Afrika Atsimo sy Madagasikara. Manamarika ny dingana vita teto amin’ny firenena isika. Niainga avy tany amin’ilay hoe sekoly miangatra dia tonga aty isika, miatrika ny fanatontoloana”, hoy hatrany i Manandafy Rakotonirina izay nanamarika fa ny MFM irery no hany antoko eto Madagasikara miara-dia amin’ny International Liberal izay iarahana amin’ny Amerikanina, Eoropeanina, Aziatika. Izay firaisana amin’ny Internatinal Liberal izay no lova raisin’ireo taranaky ny MFM. Fambolen-kazo dia kininina hahazoana fanafody miisa 500 fototra sy pibasy 14 fototra no novolen’ireo mpikambana 200 eo anivon’ny MFM teny an-tendrombohitr’i Mangabe, Ambohimanga. Izany dia hanehoan’ity antoko ity fa tsy ny politika ihany no imasoany fa eo koa ny sosialy dia ny fikajiana ny tontolo iainana.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.