Politique

CST sy CT ankolafy Ravalomanana Tokony hisaotra an’i Andry Rajoelina ?


  • Alakamisy 29 Desambra 2011

Tsy voahaja ny toromariky ny fitoniana ara-politika na ny «trève politique» ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona raha ny zava-misy teny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka no asian-teny.

 Tsy nitsahatra mihitsy mantsy isan’andro afa-tsy ny 25 desambra izay andro alahady tamin’ity ny hetsika politika teny an-toerana ary dia tazana teny hatrany ireo mpitari-tolona na dia efa voatendry ho anisan’ny mpikambana anaty andrim-panjakana aza. Ireo avy amin’ny ankolafy mpanohana tsy misy fepetra ny fitondrana FAT hatrizay no tsy nisy nety nanao fanambarana politika ary tsy tazantazana daholo mihitsy aza fa samy lasa namonjy ny toerana niaviany avy, nifety.

Na izany aza dia nisy iray tamin’izy ireo ihany, izay niangavy tsy hotononina anarana, naneho ny heviny manokana mikasika ny amin’ny tokony hisaoran’ireo namany avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina amin’ny nanendreny azy ireo ho CST sy CT na dia teo aza ny fanaratsiana tsy an-kiato nataon’izy ireo azy eny an-kianja. Eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha mandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2012 ataon’ireo andrim-panjakana samihafa no tokony hanehoan’izy ireo mivantana izany, hoy ity mpomba ny fitondrana FAT ity.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT