Politique

Ankolafy Ravalomanana Ho eny Mahazoarivo


  • Alakamisy 29 Desambra 2011

Ireo rehetra nandaha-teny teny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka omaly dia samy nanitrikitrika fa mila miala i Andry Rajoelina ary miverina eto an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana.

 Miomana sy miandry fatratra izay daty hiverenan’ity farany ireo mpikatroka eny an-kianja. Raha atao ny jery todika tsotra, hatreto dia tsy mbola nisy azon’ny ankolafy Ravalomanana ireo fitakiana telo goavana ho fampiharana ilay sori-dalana hisiana fitoniana politika sy hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Eo ny fampiharana ny andininy faha-20 ao amin’ny sori-dalana ahafahan’ireo sesitany politika mody an-tanindrazana tsy misy fepetra, ka anisan’ireny ny filoha Ravalomanana, eo koa ny famotsorana tsy misy fepetra ireo gadra politika na sivily na miaramila, ary eo koa ny famoahana ireo haino aman-jery nakatona noho ny resaka politika.

Telo volana mahery izay no nahavitan’ny sonia ny tondrozotra saingy tsy mbola nisy tanteraka ny iray amin’ireo na dia efa niditra ao anatin’ny rafitra aza ny ankolafy Ravalomanana. Mialoha ny hiresahana fifidianana dia ataovy tonga eto aloha ny kandidanay, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Andriampilamanana Rostand. I Andry Rajoelina no olana eto, hoy kosa i Guy Maxime Ralaiseheno. “Fanjakana tsy misy an’i Andry Rajoelina ny fanjakana hotantanana amin’ny 2012”, hoy ihany izy ka ny vahaolana azo antoka amin’izany dia ny fanitsahan’ny filoha Ravalomanana an’i Madagasikara izay tsy azo ihodivirana, hoy ny CST Ramarosonarivo Jeanson.

Momba ny resaka lalàmpanorenana moa dia nambaran’ity mpikambana eo anivon’ny CST ity fa tsy misy lalàmpanorenana izany ao anatina tetezamita ary ny andininy faha-30 ao amin’ilay sori-dalana dia manafoana ny didy sy fanapahana rehetra nataon’ny FAT nialoha ny 17 septambra 2011. Ato ho ato dia hisy hetsika goavana hotarihin’ireo olon’ny ankolafy Ravalomanana ao anaty rafitra dia ireo CST, CT ary minisitra. Hangataka fihaonana amin’ny praiminisitra Beriziky izy ireo hiresaka ny fampiharana ny sori-dalana, indrindra fa ny andininy faha-20. Tsy handeha irery moa ireo olom-boatendry fa hiara-dia amin’ireo vahoaka.

Nangonin'i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT