Tsy miala amin’ny fenitra hotratrarina hatramin’izay ny “Union des Associations Zanak’i Dada”, hoy Atoa Ranaivorazo Feno, dia ny tolona hamerenana ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana ary hampandany azy amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy ary koa mbola hiaro ny fitondrana izay tantanany rehefa tonga ny fotoana hiverenany eo amin’izany fitondrana ny firenena izany.
Manoloana izao savorovoro sy tsy fivahan’ny olana eto amin’ny firenena izao, dia manambara izahay, hoy ity mpitaritolon’ny ara-dalàna ity, fa manana andraikitra lehibe amin’izany Atoa Andry Rajoelina satria tsy manam-piniavana mihitsy izy hamaha ny olana eto amintsika. Marina fa misy ny fampijoroana ny andrim-panjakana tao anaty tondrozotra ary efa nandefitra be mihitsy ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny isan’ny CT sy CST ary ny mpikambana ao amin’ny governemanta nefa ny ankabeazan’ny andininy izay tena notakiana tety an-kianja dia tsy misy tanteraka ao anatin’izany.
Anisan’izany ny famoahana ireo gadra politika, ny famoahana ireo haino aman-jery nakaton’ny FAT, ary indrindra indrindra ny fampiharana ny andininy faha-20 amin’ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana tsy misy fepetra eto an-tanindrazana. Efa tena maika amin’izany ireo mpitolona satria izay no tena nitolomana teto hatramin’izay nefa dia mbola nisy indray ireny antsojay «NOTAM» ireny, ny fanaovana ny foloalindahy ho fitaovana politika izay hita mihitsy fa finiavana avy amin’ny ankolafy Rajoelina handetika ny firenena malagasy any anaty lavaka mangitsokitsoka. Noho izany dia manambara izahay, fa vao mainka hihamafy ny tolona ary amin’io taom-baovao io no hamarananay ity tolona ity satria ampy izay fotoana nijaliana sy nihafiana teto izay.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.