Politique

Karaman’ny CT sy CST Hiteraka olana hafa indray, hoy Ralison Roger


  • Alakamisy 29 Desambra 2011

Nihena hatrany amin’ny antsasaky ny fandrain-dry zareo CT teo aloha ny karaman’ny CT am-perinasa raha ny fanazavana azo satria lasa 1.120.000 ariary mahery kely any izany ankehitriny raha nahatratra 2.600.000 ariary teo aloha.

 Ny an’ny CST aza mbola ambanin’izany raha ny fanamarihana azo ihany fa eo amin’ny 1.029.000 ariary izany sisa raha 2 tapitrisa ariary mahery teo aloha. Mahagaga ity toe-javatra iainana ity, hoy ny CST Ralison Roger. Ampitoviana amin’ny “catégorie- 10” amin’ny mpiasam-panjakana izahay, hoy izy, nefa izahay tsy kilasin’ny mpiasam-panjakana velively. “Hors catégorie” izahay eo amin’io asa io, ka tokony hifandraika amin’izany ny karama horaisina fa tsy hoe any amin’ny tambinkarama samihafa fotsiny no ampitomboina. Mahagaga, hoy izy, fa efa fantatra hatrany am-boalohany fa hitombo ny isan’ireo parlemantera nefa dia vao mainka nahena indray ny teti-bola hiasanay. Hiteraka olana hafa ankoatra ny efa misy indray ity toe-javatra ity aorian’ny fety, hoy izy, fa izao aloha samy lasa namonjy ny fianakaviany avy ka ahita ny fahasahiranana tanteraka rehefa tafaverina eto an-drenivohitra.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT