• Zoma 19 Oktobra 2012
Politique.Fifidianana Mbola baraingo ny hahatanterahany

Tsy mitombina ny filazana sy ny fiheveran’ny sasany fa nifarana omaly ny fetra farany tokony hahatongavan’i Marc Ravalomanana raha te hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena izy, hoy i Zafilahy Stanislas tao amin’ny Magro Behoririka omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Oktobra 2012
Politique.Foloalindahy sy ny krizy Vita hatreo ny feon-dakolosy tokana sy ny tatitra vilana

Antaninarenina ho an’ny komandy, Ivandry ho an’ireo ivelan’ny komandy. Izay no nandaminan’ireo iraka miaramila avy amin’ny SADC tonga eto ny toerana ahafahany mihaona sy mihaino ny miaramila gasy, tafiditra amin’ny fanaovana tombana ny lafiny filaminana mialoha sy ny mety hitranga mandritra sy aorian’ny fifidianana ho avy.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Oktobra 2012
Politique.Iraky ny SADC Mifarana anio ny asa

Amin’ity anio ity no hihaona amin’ny mpanao gazety ka hamintina ny asa nataony teto nandritra ny hadimiana andro ireo iraky ny SADC, nahitana delegasiona sivily sy miaramila.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Oktobra 2012
Politique.Kongresin’ny tetezamita Hafampana anio ny resaka trano fivahinianana eny Tsimbazaza

Lany tsy nisy nitsipaka teo anivon’ny fivoriana nitambarambe nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita omaly, teny Tsimbazaza, ny fandaharam-potoana mandritra ny 10 andro amin’ny fiatrehana ny fivoriana ara-potoana ho an’ity andrim-panjakana ity.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Oktobra 2012
Politique.Zanak’i Dada Mitaky ny hamoahana ireo gadra politika

Tapitra omaly 18 oktobra, ny 60 andro, fetr’andro nomen’ny SADC hijerena izay handaminana ny fodian’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 19 Oktobra 2012
Politique.Lezava Fleury “Mila miroso amin’ny fampihavanana isika”

Vahinin’ny Tia Tanindrazana amin’ny Sokela anio ny filohan’ny antoko Harena, Lezava Fleury. Maneho ny heviny manodidina ny krizy sy ny fanelanelanana ataon’ny SADC, ny fanomanana ny fifidianana, ny amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary ny FFM sy ny fampihavanam-pirenena izy araka izao dinidinika manaraka izao.

Hamaky ny tohiny
FTT