Politique

Zanak’i Dada Mitaky ny hamoahana ireo gadra politika


  • Zoma 19 Oktobra 2012

Tapitra omaly 18 oktobra, ny 60 andro, fetr’andro nomen’ny SADC hijerena izay handaminana ny fodian’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara.

 Samy miomana ho amin’izany avokoa ny rehetra, na ireo mankasitraka ny fodiany na ireo misakana izany fiverenany eto an-tanindrazana izany. Mirona amin’ny fampiharana ny sori-dalana ny SADC, hoy ny CT Ravelonanosy Mamitiana, sady filohan’ny vondrona parlemantera Ankolafy Ravalomanana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita. “Tsy maintsy miandry sy manaraka izay paikam-pandaminana isika”, hoy izy nanoloana ny vahoakan’ny Magro omaly. Ny antom-pisian’ireo CT sy CST ary minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ao amin’izao fitondrana izao, araka ny fanazavana dia ny hampodiana an’i Dada ka raha tsy izany no tanteraka dia zavatra hafa no hiseho, hoy ihany Ravelonanosy Mamitiana izay nanamafy fa tsy miova ny tondrozotra politikan’ny Zanak’i Dada dia ny famerenana an’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana sy eo amin’ny fitondrana. Nanao antso avo amin’ireo miaramila avy amin’ny SADC koa ny tenany mba hijery akaiky ireo miaramila sy olon-tsotra nofonjaina noho ny antony politika.

Tokony havoaka mialoha ny hahatongavan’ny filoha Ravalomanana izy ireo, hoy izy. “Raiso ny fepetra amin’ny fampodiana an-dRavalomanana fa mbola maro ireo tsy maty voalavo an-kibo”, hoy ihany ity depioten’Ankazobe taloha ity. Tetsy andanin’izany dia nambaran’ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert fa tokony horavana sy foanana tanteraka ny FFM na Filankevitry ny fampihavanana malagasy. Tokony haverina amin’izay mahavita azy izany dia ny profesora Zafy Albert, hoy i Loginco. Araka izany dia samy miandry izay ho fehin-kevitry ny SADC ny rehetra amin’ny fampiharana ny sori-dalana ao anatin’izany ny fampodiana an’i Marc Ravalomanana sy ny fametrahana ireo rafitra sasany toy ny hisahana ny fampihavanana.

Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT