Tsy mitombina ny filazana sy ny fiheveran’ny sasany fa nifarana omaly ny fetra farany tokony hahatongavan’i Marc Ravalomanana raha te hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena izy, hoy i Zafilahy Stanislas tao amin’ny Magro Behoririka omaly.
Ny 30 ka hatramin’ny 60 andro nomen’ny SADC hijerena izay handaminana ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana no tapitra omaly, araka ny fanazavany. Raha momba ny fifidianana dia nambarany ihany fa mbola baraingo ny hahatanterahany. Ary raha ho tanteraka amin’ny 8 mey 2013 ihany aza ny fifidianana dia tokony ho ny 7 novambra 2012 ho avy izao raha tara indrindra no higadona eto an-tanindrazana ny kandida Marc Ravalomanana. Miankina indrindra amin’ny fisian’ny fitoniana politika anefa no hahatanteraka ny fifidianana, hoy i Zafilahy Stanislas. Ny zava-misy dia ireo fepetra rehetra ao anatin’ny sori-dalana hametrahana izay fitoniana izay dia tsy mbola misy tanteraka toy ny famotsorana ireo gadra politika rehetra sivily sy miaramila, ny famohana ireo haino aman-jery rehetra nakaton’ny FAT ary dia mbola manao politika ihany koa ny miaramila gasy. Ankoatra izay dia mbola sakana koa ny enti-manana ara-bola satria ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay nandray an-tanana io fifidianana io dia tsy hanome vola.
Koa raha fifidianana hatao amboletra dia hiteraka korontana vaovao eto indray. Nambaran’ity solombavambahoaka’i Vavatenina teo aloha ity fa misy antony matoa iraka roa samihafa no nalefan’ny Troika SADC aty Madagasikara dia ny delegasiona tarihin’i Leonardo Simao, andaniny, ary ireo miaramila ankilany. Ho an’i Simao sy Andry Rajoelina manokana dia satrin’izy ireo hitarazoka ny krizy satria eo ny karama sy ny fihinanana tsy tiana ho tapaka, araka ny fanazavany. Nanentana ireo mpiara-dia aminy i Zafilahy Stanislas hanamafy hatrany ny tolona sy hatoky ny filoha Marc Ravalomanana izay efa miomana ho amin’ny fodiany eto fa tsy mipetra-potsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.