Politique

Kongresin’ny tetezamita Hafampana anio ny resaka trano fivahinianana eny Tsimbazaza


  • Zoma 19 Oktobra 2012

Lany tsy nisy nitsipaka teo anivon’ny fivoriana nitambarambe nataon’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita omaly, teny Tsimbazaza, ny fandaharam-potoana mandritra ny 10 andro amin’ny fiatrehana ny fivoriana ara-potoana ho an’ity andrim-panjakana ity.

 Misongadina ao anatin’izany ary efa andrasan’ny maro tokoa ny fifanatrehana na «face à face» eo amin’ny mpanatanteraka tarihan’ny Praiminisitra Omer Berziky sy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita tarihan’ny filohany Mamy Rakotoarivelo. Ny alakamisy 25 oktobra 2012 no hanatanterahana izany eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza eny. Omaly alakamisy 18 oktobra tokakandro aloha dia tonga dia vavany ny asam-baomiera, ny vola sy tetibolam-panjakana sy ny fahasalamana nitambatra nandinika volavolan-dalàna mikasika ny resaka Vih/Sida.

Teo koa ny vaomieran’ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro mikasika ny fifanarahana ana habakabaka eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Repoblikan’i Tiorkia. Fa anio zoma 19 oktobra aloha dia hafanafana ny resaka trano fivahinian’ireo CT eny Tsimbazaza eny. Tena nampidirina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny Kongresin’ny tetezamita mihitsy ity resaka ity fa tsy natao ho resadresaka an-jorony ho an’ny mampiasa ny trano fotsiny. Araka ny resaka mandeha mantsy dia misy fitarainana azo avy amin’ireo mpikambana avy lavitra tsy mahazo trano nefa ny an’ny sasany tsy izy akory no mipetraka ao fa olon-kafa. 

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT