Amin’ity anio ity no hihaona amin’ny mpanao gazety ka hamintina ny asa nataony teto nandritra ny hadimiana andro ireo iraky ny SADC, nahitana delegasiona sivily sy miaramila.
Tsy tena mbola fantatra amin’ny antsipirihany ny votoatin’ny fihaonan’ny SADC sy ireo ankolafy politika, na ny avy amin’ny foloalindahy teny amin’ny hotely Colbert, saingy amin’ny ankapobeny kosa dia azo ambara fa nanodidina ny fampiharana ny tondrozotra, indrindra fa ilay andininy faha-16, faha-17 ary faha-20 momba ny fodian’ny sesitany politika, miampy ny fiomanana amin’ny fifidianana no nifantohan’ny dinika. Voaresaka manokana ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ary dia samy nilaza ny heviny ireo vondrona politika, tao no tsy mahita olana amin’izany, teo kosa ireo milaza fa tsy fotoanan’izany aloha izao, tao koa ireo manaiky ihany fa nametraka fepetra. Noho izany dia efa azo sary an-tsaina ihany ny hambaran’ny iraky ny SADC amin’ny mpanao gazety, fa dia hipasoka ny efa malama, ka hiteny fa nahafinaritra ny fifampiresahana tamin’ireo ankolafy rehetra, voaray ny soso-kevitra sy ny hetaheta ka andeha hanao tatitra any amin’ny foiben’ny SADC aloha.
Tsy dia be resaka raha ireo manamboninahitra nirahan’ny SADC teto, fa ingahy Leonardo Simao kosa dia efa nilaza fa tsy mbola mety aloha ny hiverenan’i Marc Ravalomanana eto amin’izao fotoana satria mety hiteraka fifandonana, hono. Mety afaka roa na telo herinandro eo vao tena hamoaka fehin-kevitra indray ny SADC ka amin’izay vao ho fantatra ny hiafaran’Atoa Marc Ravalomanana, hoe afaka mody avy hatrany ve sa tsia ! Ary raha toa ka mody izy dia hanatitra azy eto ve ny SADC ka hanampy amin’ny fiarovana azy, sa tonga samirery eto izy ary tonga dia hosamborina ? Eo mantsy no hita fa mbola mampifanipaka tanteraka ny hevitry ny mpanao politika sy ny olon-tsotra amin’ny ankapobeny.
Ny mpitandro filaminana Malagasy dia efa nilaza ny alarobia teo, fa fanapahan-kevitra politika ny fanekena na tsia ny fodian-dRavalomanana eto, ary tsy misy idiran’izy ireo, fa ry zareo dia manatanteraka ny baiko fotsiny ary miantoka ny filaminana. Raha adika tsotra sy mazava izany dia hoe : raha miteny ny mpitondra tetezamita hoe avelao Atoa Marc Ravalomanana hiditra malalaka eto sy hanao politika tahaka ny rehetra dia manaiky an’izay ny mpitandro filaminana, fa rehefa milatsaka kosa ny baiko hoe sambory, dia misambotra avy hatrany izy ireo. Mazava ny amin’iny, fa ny tena mbola manjavozavo amin’ny maro, dia ny zavatra tian’ny SADC atao. Ho hita eo indray izay fanambaran-dry Simao anio e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.