Politique

Foloalindahy sy ny krizy Vita hatreo ny feon-dakolosy tokana sy ny tatitra vilana


  • Zoma 19 Oktobra 2012

Antaninarenina ho an’ny komandy, Ivandry ho an’ireo ivelan’ny komandy. Izay no nandaminan’ireo iraka miaramila avy amin’ny SADC tonga eto ny toerana ahafahany mihaona sy mihaino ny miaramila gasy, tafiditra amin’ny fanaovana tombana ny lafiny filaminana mialoha sy ny mety hitranga mandritra sy aorian’ny fifidianana ho avy.

Nanova paikady ireto mpanelanelana ireto, hialana amin’ny feon-dakolosy tokana sy ny tatitra vilana na koa mitanila, ka nanitatra ny sokajin’olona nohenoina. Taorian’ny fihaonana naharitra adim-pamantaranandro telo mahery tao amin’ny hotely Colbert Antaninarenina, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra voalohany misahana ny filaminana, nahitana minisitra telo sy ireo komandy avy amin’ny tafika, zandary ary polisy dia nanokana fotoana nihaonana tamin’ireo miaramila am-perinasa avy amina vondron-tafika samihafa, misy manamboninahitra lefitra, misy ireo miaramila efa misotro ronono ary ireo miaramila efa tany am-ponja tao anatin’izao tetezamita izao, ireo iraka miaramila avy amin’ny SADC.
 
Teny amin’ny La Marina Ivandry teny no nifandimby nandraisana azy ireo. Fihaonana mangingina ihany, saingy azo antoka fa nitondra ny fomba fahitany ny zava-misy eto amin’ny firenena sy ny eo anivon’ny foloalindahy manokana izy ireo ary raha ny tsiliantsofina dia hentitra ireto miaramilan’ny SADC ireto tamin’ny filazana fa dia tsy maintsy atao ny fifidianana, mody ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, handray an-draikitra ny SADC hampihatra ny lalàna iraisam-pirenena. Azo antoka fa tsy hahafaly ireo tompon’andraikitra voalohany misahana ny filaminana ity zava-nitranga teny Ivandry omaly ity, satria hoe tsy nahazo alalana tamin’ny lehibe hiteny amin’ny anaran’ny miaramila ireo mbola am-perinasa nefa nifampiresaka tamin’ireto vahiny ireto. Izao trangan-javatra izao anefa dia manaporofo fa marary ny foloalindahy ary mila fanasitranana haingana. Efa soso-kevitra mandeha ny tokony hanaovaona “Etats généraux» handaminana ny raharaha anatin’ny foloalindahy.
 
Nangonin’i Jean D.
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT