Politique

Lezava Fleury “Mila miroso amin’ny fampihavanana isika”


  • Zoma 19 Oktobra 2012

Vahinin’ny Tia Tanindrazana amin’ny Sokela anio ny filohan’ny antoko Harena, Lezava Fleury. Maneho ny heviny manodidina ny krizy sy ny fanelanelanana ataon’ny SADC, ny fanomanana ny fifidianana, ny amin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary ny FFM sy ny fampihavanam-pirenena izy araka izao dinidinika manaraka izao.

 Tia Tanindrazana (TT) : Tonga eto indray ry Simao sy ny miaramilan’ny SADC. Mbola azo antenaina hitondra vahaolana ve ilay fiarahana amin’ny SADC izay tsy nahomby tao anatin’ny telo taona ? 

Lezava Fleury (LF) : Hatrany amboalohan’ny krizy no efa niditra an-tsehatra amin’ny fandaminana izany ny SADC sy ny Vondrona Afrikanina rehefa tsy nahomby ny FFKM. Tsy ahitam-bokany avokoa anefa ireny satria efa natao avokoa rehefa karazana fifanarahana tany Maputo, Pretoria, Sandton, Addis Abeba ary ny teny Ivato. Mbola anaty krizy foana anefa isika satria ny tondrozotra izay natao sonia dia tsy misy hery mampihatra azy “forces éxécutoires” ary efa nolazainay ny SADC izany. Ny foloalindahy no tokony hitana io toerana io amin’ny maha Tafika Repoblikanina azy.
 
Tsy tokony hanana fiandaniana mihitsy ny foloalindahy noho izany. Ny anjarany dia ny mampihatra ny fifanarahan’ny mpanao politika nefa iaraha-mahalala fa miandany ireo mpitarika ao amin’ny tafika ireo ary izay indrindra no mampananosarotra ny raharaha. Raha tsy misy io hery mpampihatra ny tondrozotra io dia tsy voavaha mihitsy ity krizy ity. Raha tonga eto indray ny iraky ny SADC dia milaza izahay fa tsy misy antenaina aminy. Izahay rahateo efa nilaza fa tsy misy ilana io tondrozotra io indrindra moa fa mitanila ny fampiharana azy. Samy maka izay tandrify azy sy mampety azy mantsy ny ankolafy Rajoelina sy Ravalomanana ary izay ihany no ataony. Efa nilaozan’ny toetrandro ny tondrozotra aminay fa mila fifanarahana vaovao ifaneken’ny hery velona rehetra izay marihiko fa tsy voatery hahazo seza avokoa. Izay tapaky ny besinimaro eo no ampiharin’ny foloalindahy amin’izay. 
 
TT : Izay fifanarahana vaovao eo no ampiharin’ny miaramila hoy ianao. Dia ho azo antoka ve fa tsy hitanila intsony ry zareo amin’izay ary iza no hanasazy azy raha miseho izay ahiahy izay ?
LF : Izay mihitsy anie no tena olan’ity firenena ity satria ny miaramila izay tokony hanasazy ireo tsy manaja ny fifanarahana no miandany amin’ny ankolafy iray. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : mbola ilaina ve ny miaramila raha izay ny zava-misy ? Tsy miasa ho an’ny tanindrazana intsony izany ry zareo amin’izay. Mahavelom-bolo nefa ny filazan-dry zareo an-gazety ny fahavononany hanatanteraka izay fifanarahan’ny mpanao politika. Hivoaka amin’ity krizy ity tsy ho ela isika raha izay tokoa no izy satria amin’izay fotoana izay dia anjaran’ny foloalindahy no manasazy izay ankolafy mitsivalam-pandry. 
 
TT : Resaka foloalindahy ihany dia maro no manakiana ny fomba fiasan’ny “Force speciale” any Atsimo. Ny hevitrao ? 
LF : Raha tena Repoblika isika dia tany tan-dalàna izany. Koa raha tany tan-dalàna i Madagasikara dia heveriko fa voararan’ny lalàna izany “éxécution sommaire” izany. Rehefa ny fitsarana no manameloka izay vao meloka ny olona voarohirohy. Raha tsy mbola nandalo fitsarana ilay olona dia misy ny “présomption d’innocence” izany hoe mbola madio izy aloha. Ny zavatra mahatsikaiky dia ity. Nanao sonia ny fanafoanana ny fanamelohana ho faty i Andry Rajoelina tany New York farany teo nefa ny zava-misy amin’izao dia mifanohitra amin’izany satria tsy misy akory ny fitsarana fa tonga dia mamono olona. Tsy milaza aho hoe tsy mahazo miaro tena akory ireo mpitandro ny filaminana fa tsy azo atao ve ny mitifitra any amin’ny tongotra mba tsy ahafahan’ilay olona enjehana mandositra? Ny ahy ny fanahiako dia hanao valifaty amin’ny mpitandro filaminana mijanona any ny fianakavian’ireo olon-tsotra izay novonoina nefa tsy dahalo akory, raha misy izany. Raha sanatria tonga amin’izay tokoa dia “rébellion” no hiseho. Efa tafahoatra loatra ihany koa amiko ireny fandorana tanàna ireny. Olona no tadiavina koa nahoana ny fananana no dorana. 
 
TT : Mety hisy ihany ve ny fifidianana ao anatin’izao tsy filaminana izao ary hitondra filaminana ve izany raha ho tontosa ihany ?
LF : Ho anay antoko Harena dia tsy tokony hisy fifidianana mihitsy aloha raha tsy miverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana, tafapetraka ny fitoniana ara-politika ary vita ny fanisam-bahoaka hamoahana lisi-pifidianana vaovao mihitsy. Io lisitra io no efa olana teto farany teo ka raha mbola io ihany no havaozina dia tsy azo antoka ny filaminana. 
 
TT : Ilay fiverenan-dRavalomanana ve ilay fitoniana resahanao sa inona satria izay foana no ambetin-dresaka ? 
LF : Misy tsy fifankahazoana am-po ny mpanao politika ka mila esorina aloha izay. Efa mivoaka ny lalàna momba ny amnistia dia tokony ampiharina ilay izy. Tsy mbola mazava koa ny fampiharana ny “amnistie de droit” sy ny “amnistie sur requête». Ny FFM moa ity dia lasa miteraka korontana indray ny fitsanganany. Tena ilaina mihitsy anefa amiko ny fitoniana ara-politika. 
 
TT : Ahoana ary ny fomba hampiharana azy satria toa vao mainka olana no aterany raha izany voalazanao izany ? 
LF : Raha miresaka fampihavanana isika dia ireo raiamandreny am-panahy no tokony hitarika azy. Zava-dehibe koa ny fandriampahalemana amin’ny fifidianana. Ahoana anefa no hanatontosana izany anatin’izao tsy fandriampahalemana izao. Efa an’aliny ireo mpifindra monina any atsimo sy any Tsiroanomandidy noho ny asan-dahalo. Manjaka koa ny malaso ao Antsirabe II izay mihantsy mpitandro ny filaminana mihitsy. Ahoana no hahavitana fanisam-bahoaka amin’izany ? Fehiny, raha tsy milamina ny tany dia tsy hisy fifidianana ary na hisy aza dia tsy handeha amin’ny laoniny 
 
TT : Momba ny FFM, tokony hosoloina avokoa ve ireo mpikambana sa foanana mihitsy ny FFM dia ny raiamandreny ara-panahy no asolo azy manao ilay fampihavanana ? 
LF : Vao niainga ilay fomba nisafidianana ireo mpikambana tamin’ny alalan’ny «appel à candidature” dia efa nanohitra izany izahay. Ahoana moa no olona tsy eken’ny fiarahamonina misy azy no handamina olana eo amin’ny sehatra nasionaly ? Olona tokony ho tsongoim-bolo ireo FFM ireo. Raha ny hitako dia vitsy amin’ireny voafidy mpikambana ireny no mahafeno ny fepetra. Misy amin’izy ireo mantsy no tsy natao hampihavana izany mihitsy. Ilay tambikarama be no tena kendren’ny sasany. Ao koa ny resaka politika satria rehefa maromaro ny namana ao dia sakanana i ranona tsy hahazo amnistia na koa hatao izay hanomezana amnistia an-dranona. 
 
TT : Olana tsy mety voavaha ny momba an-dRavalomanana. Mahazo amnistia ve izy, mahazo mody sy milatsaka koa aminareo ? 
LF : Teratany Malagasy izy ka tokony hahazo mody. Raha misy fandikan-dalàna nataony dia tsarao amin’ny fitsarana Malagasy fa tsy sakanana ny fodiany. Izahay dia tsy manakana ny filatsahan-kofidiany, torak’izany koa i Andry Rajoelina. Ny fifanarahan’i Cotonou izay nosoniavintsika sady nankatoavin’ny Antenimieram-pirenena voafidim-bahoaka dia milaza fa ny mpanongam-panjakana dia tsy mahazo milatsaka.
 
Ka raha olona manaja lalàna i Andry Rajoelina dia tsy tokony ho ambonin’izay lalàna izay fa voafehiny. Izay no mahatonga anay milaza fa ny lalàna no manakana azy tsy hilatsaka amin’ity indray mitoraka ity. Ny mahagaga anie dia nanasonia ilay fanafoanana ny fanamelohana ho faty Rajoelina nefa ilay fifanarahan’i Cotonou aza hitsahiny. Rehefa tsy hajaina ihany ireny fifanarahana iraisam-pirenena ireny dia tsy tokony ho nosoniavina. Fa raha olona manara-dalàna koa i Marc Ravalomanana dia tsy tokony hilatsaka satria voasazin’ny fitsarana izy. Na inona fanakianana ny rafi-pitsarana nitsara azy dia voameloka izy ka tsy afaka mirotsaka raha tsy mahazo amnistia. 
 
TT : Ny filohan’ny FAT anefa efa maneho ny filatsahana amin’ny fanaovana fampanantenana etsy sy eroa. Azy irery ve ny TVM ? 
LF : Samy efa miaiky ny gazety rehetra fa manao fampielezan-kevitra izy ary ny RNM sy TVM dia ataony fitaovana azy manokana. Rehefa hanao izany ihany, nahoana raha omena sehatra malalaka ao koa ireo hifaninana aminy ? Filohan’ny tetezamita izy dia ny FAT no tokony hifantohany fa tsy manao zavatra ivelan’ny tetezamita. Ny fikarakarana fifidianana sy ny fanalefahana ny fahasahiranan’ny vahoaka no andraikitry ny tetezamita fa tsy fanamboarana fotodrafitrasa akory. 
 
TT : Ahoana ny fahitanao an’i Madagasikara afaka enim-bolana ? 
LF : Raha izao zava-misy izao dia manahy aho fa hielipatrana manerana ny Nosy ny asan-dahalo. Any Sofia dia mitaraina ny mponina noho ny tsy fandriampahalemana. Any Mandritsara, Tsaratanana ary Andilamena dia misy toerana tsy azo aleha mihitsy. 
 
TT : Nilaza ianao fa tsy feno ny fepetran’ny fifidianana. Tsy miomana amin’izany mihitsy izany ianareo ? 
LF : Tsy miankina amin’izao toe-draharaha izao ny fiainan’ny antoko. Mitohy hatrany ny fametrahana ny ambaindain’ny rafi-pitondrana manerana ny Kaominina, Distrika ary Faritra. Hanatanteraka ny AG Constitutive koa izahay araka ny takian’ny ministeran’ny atitany mba hahazoana fankatoavana. Mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena izahay fa tsy voatery mitabataba ary manomana ny fifidianana. 
 
TT : Mpandraharaha ianao. Ahoana ny fijerinao ity resaka harena ankibon’ny tany ity ? Tokony hiadiana varotra ve ny momba ny tombontsoa azo amin’ireny izay mampimenomenona ny andiana tanora ao Toamasina ? 
LF : Manana ny toko telo mahamasanahandro izahay dia ny fanjakana firenena, fitondrana Repoblikana tena izy ary ny fametrahana ny fanjakana akaiky vahoaka. Tsy mipetraka izany olana amin’Ambatovy, QMM, Mainland na Wisco izany raha tena mipetraka ilay fanjakana akaiky vahoaka satria ireo tomponandraikitra amin’ny toerana iasan’ireny orinasa ireny dia mandray anjara amin’ny fifanarahana ifanaovana aminy sady miady izay tombony miverina aminy. Tsy mahafantatra ny fifanarahan’ny fanjakana amin’ireo orinasa ireo ny tenako saingy zo sy adidin’ny mpitondra manaraka eo no mijery raha tokony hasiana fanamboarana ny fitsinjarana ny tombontsoa azo mba samy hahazo tombony ireo orinasa mpitrandraka sy ny Malagasy. 
 
TT : Ny teninao farany ary ? 
LF : Antso avo amin’ny mpanao politika mba hametrahana ny hambom-po manokana fa hijery ny tombontsoam-pirenena. Mila miroso amin’ny fampihavanana isika ahafahana mikarakara faran’izay haingana ny fifidianana.
Nangonin’i Yves 
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT