• Alakamisy 30 Mey 2013
Politique.Filoha teo aloha Zafy homen’ny FAT 4x4, Ratsiraka mipitrapitra

Manao mizana tsindrian’ila ! Tsy niandry ela ny fangatahan’ny Profesora Zafy Albert ny hanomezana azy fiara tsy mataho-dalana, zony amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 30 Mey 2013
Politique.Rajoelina – Beriziky Mifampitsapa hery

Tsy mbola nisy toy ity ! Samy mitarika minisitra hivory amin’ny fotoana mitovy saingy amin’ny toerana samihafa ny filohan’ny tetezamita sady kandida filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny marimaritra iraisana Beriziky Jean Omer.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Mey 2013
Politique.Antoko Leader Fanilo Naseho vahoaka ireo kandida solombavambahoaka

Raha nanao fifadian-kanina ny tao Ambohitsorohitra ny sabotsy 25 mey 2013 lasa teo dia hafa noho izany kosa no no nataon’ny Antoko Leader Fanilo Antsirabe.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Mey 2013
Politique.CES Io indray ilay kitoatoa

Raha fanilihana ireo manampahefana tsy nametra-pialana amin’ny asa aman’andraikiny ao anatin’izao tetezamita izao, nefa kandida filoham-pirenena, no nandrasana tamin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES dia fisiana tranga tsy ahafaha-manoatra amin’ny fanatontosana fifidianana indray no nambarany, omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 29 Mey 2013
Politique.Mihemotra, Mihemotra ihany, mihemotra hatrany

Anio no tokony hanambara ny governemanta fa mihemotra ny fifidianana noho ny fisian’ny antony goavana tsy azo ivalozana, dia any amin’ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana indray ny baolina avy eo satria izy ireo no mametra ny datim-pifidianana, araka ny ambaran’ny tondrozotra.

Hamaky ny tohiny
FTT